Fifantenana izay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.

398 0
Tamin’ireo anarana telo natolotry ny vondron’ireo solombavambahoaka maro an’isa avy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamiko dia Andriamatoa NTSAY Christian no notendreko ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta.
 
Mazava ny anton’ny safidiko satria mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana ny fanatanterahana ny fampandrosoana tiantsika apetraka. Mila olona mahafehy ireo asa fampandrosoana sy ny fanatanterahana ireo vina efa natomboka ny tenako. Masina loatra ny fahatokisana napetraky ny vahoaka Malagasy amiko ary tsapako fa miandrandra fampandrosoana mipaka isan-tokantrano ny olom-pirenena. Noho izany dia mila mitondra vahaolana haingana sy maharitra isika eo amin’ ireo fanamby apetraka sy ny olana iainana hatrizay sy ankehitriny.
 
Tsy mora ny andraikitra sy asa hosahaniny, tsy vita mora ihany koa ny ady amin’ny fahantrana. Koa hatrehantsika miaraka izany mba hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo.

Related Post

𝐂𝐄𝐍𝐈: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐦𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐣𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐧-𝐝𝐨𝐡𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 4, 2025 0
Nanambara ampahibemaso ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa manameloka tanteraka ny fanenjehana nataon’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,…