Atsaharo ny herisetra atao amin’ny ankizy

571 0
Raha vao nandre fa nisy zazavavy kely tratran’ny fanolanana ka nentina tao amin’ny HJRA Anosy ny Minisitry ny Serasera andriamatoa Augustin Andriamananoro sy ny Minisitry ny Mponina Haingo Nambinina , avy hatrany dia tonga nijery an’ilay zaza.
 
Nitondra teny fankaherezana ho azy sy ny fianakaviany ary nitondra tolo-tanana ho entin’izy ireo mikarakara azy.
Manentana ny vahoaka malagasy rehetra hatrany izy ireo mba hifanome tanana sy ho sahy mitoroka raha mahita trangana herisetra na fanolanana mianjady eny anivon’ny fiaraha-monina.
 
Marihina moa fa noraisin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana tamin’ny alalan’ny Chu Hjra ny fitsaboana rehetra (fandidiana sy izay mety ho fitsaboana manaraka) an’ity zazavakely ity.
Mirary fahasitranana aingana ho azy 
 
Nangonin’i Fenohery

Related Post

𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚

Posted by - janvier 16, 2024 0
𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…