Atsaharo ny herisetra atao amin’ny ankizy

477 0
Raha vao nandre fa nisy zazavavy kely tratran’ny fanolanana ka nentina tao amin’ny HJRA Anosy ny Minisitry ny Serasera andriamatoa Augustin Andriamananoro sy ny Minisitry ny Mponina Haingo Nambinina , avy hatrany dia tonga nijery an’ilay zaza.
 
Nitondra teny fankaherezana ho azy sy ny fianakaviany ary nitondra tolo-tanana ho entin’izy ireo mikarakara azy.
Manentana ny vahoaka malagasy rehetra hatrany izy ireo mba hifanome tanana sy ho sahy mitoroka raha mahita trangana herisetra na fanolanana mianjady eny anivon’ny fiaraha-monina.
 
Marihina moa fa noraisin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana tamin’ny alalan’ny Chu Hjra ny fitsaboana rehetra (fandidiana sy izay mety ho fitsaboana manaraka) an’ity zazavakely ity.
Mirary fahasitranana aingana ho azy 
 
Nangonin’i Fenohery

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…