Solofo Jocelyn RAZAFINDRAKOTO | nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga

683 0
Nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny izay notarihin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga avy eto amin’ny  Fokontany Andranomalaza – Commune SADABE anio izay nitso-drano Andriamatoa Solofo Jocelyn  RAZAFINDRAKOTO amin »ny firotsahana ho solombavam-bahoaka ato amin’ny Distrikan’i MANJAKANDRIANA.
 
Nandritra ity lanonana fitsofan-drano ity ihay koa no nanararaotana nifampiarahabana tratry nyy taona vaovao, sy nifampirariana soa hoan’ny rehetra,  ka ho fanamarihana izany dia  nisy ny fanolorana solombodiakoho hoan’ireo Ray aman-dreny tandroky ny tany ireo, ankoatr’izay iohany koa dia nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavana hoan’izay rehetra tonga tamin’ity lanonana ity.
 
Tamin’ity fotoana ity ihany koa fotoana nihainoana sahady ireo hetahetan’ny vahoaka sy hijerena miaraka ny fampandrosoana izay afaka ho tanterahina.
 
Tiana ny manamarika fa i Solofo Jocelyn  RAZAFINDRAKOTO dia tena Zanaky ny tanana, mahafantatra tanteraka  izany SADABE IZANY, ka nahatonga azy milaza afa :
  • SADABE tsy maintsy mandroso
  •  Isika tsy maintsy mandroso
  • Tsy misy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗛𝗢 𝗥𝗔𝗬 𝗔𝗠𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗘𝗡𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔

Posted by - mars 21, 2024 0
✅Noho ny fangatahana fihaonana manokana tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, nataon’ireo milaza ho mivondrona ao amin’ny « 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑹𝒂𝒚 𝒂𝒎𝒂𝒏-𝒅𝒓𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒓𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚…