Misy ireo zaza mila fanampiana ka ilaina ny fitan-tsoroky ny Malagasy tsy an-kanavaka.
Anisan’izany ny Association DERA Madagasikara izay mikarakara tsena ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ireo mpanjifa ao amin’ny tokontanin’ny CEG Ivato nanomboka omaly sabotsy 23 martsa ka hatramin’ny androany alahady 23 martsa.
Maro ireo trano eva izay ampiratiana sy ivarotana ireo vokatra vitan’ireo tantsaha ireo. Ny mampiavaka ity hetsika ity dia vokatra tsy mandalo mpijirika ireo vokatra amidy ireo. Noho izany dia azo antoka ny kalitao sy ny vidiny izay mirary .
Toa izany ny vokatra tantely hita ao izay ireo tantsaha ihany no mpiompy, mioty ary mikarakara sy manodina mba ho azo amidy. Mora lavitra ny vokatra amidy raha miohatra eo amin’ny hita eny an-tsena.
Eo ihany koa ny vokatry ny asa-tànana vita amin’ny akora aluminium toa ny vilany, ny lasitra fanaovana mofo mamy. Mbola betsaka ny karazany vaovao izay sambany ny hampiratiana sy hamarotana azy ireo eto @tsika.
Andiany voalohany ity hetsiaka ity fa ny manetsa be mbola ho avy. Manainga antsika rehetra hanjifa ny vokatra mivantana avy amin’ny tantsaha fa ho afa-po ianao.
Misy koa ny antso avo hatao amin’ireo mpamokatra ny akora fanaovana trano mba hanampy azy ireo amin’ny fananganana ilay « Maison de Réfuge & Polyvalente » ao amin’ny Ankany Fanantenana Andovosira Mananjary.
Tongava maro ary eny amin’ny CEG Ivato @ ito anio Alahady 24 martsa ity ho fanampiana ny fikambanana misy azy ireo