Association Soa Ambohimangakely

438 0
➡️ Toy ny isan-taona dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Commune Ambohimangakely sy ny
Association Soa Ambohimangakely Indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny Noely izao.
 
 Hafaliana no taratra teny amin’ny endrik’ireo vehivavy, renim-pianakaviana avy ao amin’ny vakim-paritra Ampasika sy Ambaniala nody niaraka tamin’ny Panier garni , nahitana ( vary, siramamy, savony, labozia, menaka …) omaly alarobia 13 décembre 2023.
 
➡️ Raha tsiahivina, ny Association Soa Ambohimangakely dia Fikambanana mijoro eto anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, izay tarihin’ny Vadin’ny Ben’ny tanana, Fikambanana miompana indrindra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona. Ankoatry ny fanomezana fiofanana maimaim-poana izay efa nataony dia misy ihany koa ny asa Sosialy.
 
➡️ Mirary Noely sambatra ho antsika rehetra sahady, ary samy ahatratra ny taona vaovao 2024 ihany koa 
Nangon’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…