Association Soa Ambohimangakely

664 0
➡️ Toy ny isan-taona dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Commune Ambohimangakely sy ny
Association Soa Ambohimangakely Indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny Noely izao.
 
 Hafaliana no taratra teny amin’ny endrik’ireo vehivavy, renim-pianakaviana avy ao amin’ny vakim-paritra Ampasika sy Ambaniala nody niaraka tamin’ny Panier garni , nahitana ( vary, siramamy, savony, labozia, menaka …) omaly alarobia 13 décembre 2023.
 
➡️ Raha tsiahivina, ny Association Soa Ambohimangakely dia Fikambanana mijoro eto anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, izay tarihin’ny Vadin’ny Ben’ny tanana, Fikambanana miompana indrindra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona. Ankoatry ny fanomezana fiofanana maimaim-poana izay efa nataony dia misy ihany koa ny asa Sosialy.
 
➡️ Mirary Noely sambatra ho antsika rehetra sahady, ary samy ahatratra ny taona vaovao 2024 ihany koa 
Nangon’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…