ARIVONIMAMO : JIOLAHY RAINDAHINY MPAMERIN-KELOKA NITIFITRITRA ZANDARY NO MATY 

349 0
❌Dahalo iray fanta-daza mpamerin-keloka @ fanafihana mitam-piadiana atsoina hoe Nary volomborona izay efa nokarohina hatrin’ny ela no itan’ny mponina niaodiaody teto Andraitsimiemona Ambohibary Arivonimamo ny alin’ny 18 mai 2024 lasa teo.
🛑 Niantso ny mpitandro ny filaminana aviatrany ireo mponina ka nifanehitra teo @ fidiranana ny tanana ilay dahalo sy ireo zandary.
⛔ Nitifitra aviatrany moa ity dahalo ity ary namaly ny mpitandro ny filaminana ka voa tao amin’ny lamosiny i Nary Volomborona .
🛑 Nohon’ny fahaverezan-dra be loatra dia tsy tana intsony ny ain’ilay Dahalo ; tratra teny @ny mazavahoazy ny basy vita gasy iray ary nahitana taim-bala calibre 12 ihany koa teo @ny manodidina rehefa natao ny savahao.
‼️ Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nanolorana ny razana tamin’ny Fianankaviana raha toa ka niroso tamin’ny fampandrenesana ny tonia mpampanao lalàna ao Imeritsiatosika ny zandary eto an-toerana ‼️
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…