๐…๐€๐Œ๐๐€๐…๐€๐๐“๐€๐‘๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐€ ๐€๐Œ๐๐Ž๐๐ˆ๐•๐Ž๐‡๐ˆ๐“๐‘โ€™๐ˆ๐Œ๐„๐‘๐ˆ๐“๐’๐ˆ๐€๐“๐Ž๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐•๐Ž๐€๐‘๐€๐๐˜ ๐€๐-๐Š๐„๐‡๐ˆ๐“๐‘๐ˆ๐๐˜

198 0
Kaominina iray aminโ€™ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatinโ€™ny distrikanโ€™ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitrโ€™Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Kmยฒ ka fokotany 36 no mandrafitra azy ; hatraminโ€™ny nisianโ€™ny rafitra kaominaly dia benโ€™ny tanana 5 no viafidim-bahoka nitantanana ny kaominana .
Ny fivelomanโ€™ny mponina dia mifototra aminโ€™ny fambolena sy fiompiana fa saingy hita ato Imeritsiatosika avoaka ny seham-pihariana rehetra .
Nanomboka ny taona 2015 nandraisanโ€™Andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ny fitantanana ny kaomnina dia hita fa niova endrika tanteraka ny tanana sy ny toen-tsainโ€™ny mponina satria ny soatoavina sy lalan-tsainana nentinโ€™ny benโ€™ny tanana dia ny hoe ยซ Ny olona no harena voalohany ยป ka ny fampandraisana anajara ny olona tsirairay no fototry ny fampandrosoana ary ny fametrahana ny mangaraharaha eo aminโ€™ny fitantanana ary fampafantarana ny tamberinโ€™andraikitra no nentina nanetsehana sy nanentanana ny mponina aminโ€™ny fanaovana adidy sy fandoavan-ketra ka nafahana nametraka ny tombotsoa iraisana sy ireo fotodrafitrโ€™asa izay nametrahana hatrany ny fotodrafitrโ€™asa hitambaranโ€™ny rehetra toinโ€™ny Lampanโ€™ny tanana taminy fotoam-pitondrany voalohany ary ny tsenabe ny firaisankina ny fotoam-pitondrany nanaraka anโ€™io fa aminโ€™izao dia ny tranom-pokonolona ary eo koa ireo fotodrafitrโ€™asa izay isam-pokotany araky ny filanโ€™ny fokotany tsirairay avy toinโ€™ny lalana sy sekoly izay sitrahanโ€™ny vahoaka ary mamaha ny olanโ€™izy ireo sady manome endrika ny tanana ka maha resy lahatra ny rehetra hany ka na ireo antokom-politika aza nandritrinโ€™ny fifidiana benโ€™ny tanana farany teo dia tsy nisy sahy nifaniana taminy .
Isany tombony ho anโ€™ny kaominina Imeritsiatosika noho izy ambohim-pihaonana eo aminโ€™ireo kaominina manodidina izay saika mandalo eo avokoa fa tombony ho anโ€™ny Imeritsiatosika kosa noho izy akaiky ny renivohitry Madagasikara na dia lavitra aminโ€™ny renivohitry ny faritra Itasy aza ny kaominina Imeritsiatosika .
Raha ny resaka tetikasa tanana vaovao indray dia olana ho anโ€™ny Kaominina ny fanaovanโ€™ny fitondrana teo aloha azy ary lasa niteraka fitokonanโ€™ny mponinโ€™ny Imeritsiatosika ; hery lehibe ho anโ€™ny fampandrosoana ny kaominina hoy ny benโ€™ny tanana ny fametrahana ny fihavana sy ny firaisakina ary fampandraisana anjara ny rehetra ary indrindra fa ny fijoroanโ€™ny Benโ€™ny tanana ny fotokโ€™evitra nirotsahany ho benโ€™ny tanana tsy misolelaka manaraka ny antokonโ€™ny eo aminโ€™ny fitondrana .
Betsaka ireo zava-bita izay ambom-po ny vahoakanโ€™ny Imeritsiatosika madidio na dia eo aza ireo mpiara-miombonโ€™antoka nanampy taminโ€™ny lafiny teknika .
Ho anโ€™izay efa nandalo sy mivezivezy ao aminโ€™ny kaominina Imeritsiatosika dia mahita tsara fa mandroso sy mivoatra ity kaominina ity ka maro ireo avy aminโ€™ny kaominina manodidina no mifindra monina ao izay lasa olana eo aminโ€™ny kaominina aminโ€™ny fandaminana sy fitan-tanana saingy na dia eo aza izany dia tsy miraviravy tanana ny mpitanatana fa miezaka mametraka ny fandaminana hafahanโ€™ny rehetra miara miaina sy mampirindra ny fiaraha-monina .

Related Post

๐—›๐—–๐——๐——๐—˜๐—— : ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฅ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ

Posted by - fรฉvrier 2, 2024 0
 ๐—›๐—–๐——๐——๐—˜๐—— : ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฅ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
๐“๐ซ๐š๐ง๐ ๐š๐ฆ-๐ฉ๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ฆ๐จ๐ง๐ข๐ง๐š ๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐๐ž๐ญ๐š๐ข๐ง๐จ๐ฆ๐›๐ฒ: ๐€๐ง๐ค๐ข๐ณ๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐š๐ฆ๐ฉ๐ฒ ๐ญ๐š๐จ๐ง๐š ๐ง๐ข๐Ÿ๐š๐ง๐š๐Ÿ๐ข๐ค๐š ๐ค๐š ๐Ÿ ๐ง๐š๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐š๐ซ๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ฆ๐ข๐ฌ๐ฒ ๐ฆ๐š๐ง๐ ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ฏ๐š๐ญ๐š๐ง๐ฒ. Samy mbola mpianatra…