ANTSOHIHY : NAMOY NY AINY ILAY MIARAMILA VOAFIRA TAO ANJIAMANGIRINA

204 0
☑️ Ny harivan’ny 12 Desambra 2023 efa somary maizina no nisy namira tampoka teo amin’ny lohany tao Anjiamangirina II ity mpitandro filaminana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity ka nifamonjena‚ nohentina namonjy toeram-pitsaboana ary nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo fa noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tàna ny ainy omaly maraina ny Alarobia 13 Desambra 2023‚ araka ny fanazavana.
 
☑️ Tsy mbola fantatra ary mbola karohina hatreto ilay nahavanin-doza. Mbola Tovolahy‚ manao asa fampandriana ny tany ao amin’ny kaominina Anjiamangirina sy ny manodidina‚ mitondra galona “Kaporaly” ity maty noho ny fira nahazo ity. Tsy mora tokoa ny asa fanompoana Tanindrazana ary mihatra aman’aina izany‚ koa mankahery ny fianakaviana rehetra ary koa ny fianakaviaben’ny Foloalindahy Malagasy.
 
⛔ Kasaina hoentina any amin’ny fasan-drazany Distrikan’i Mandritsara ny razana raha tsy misy ny fiovana
📷 : Sary Fanehoana | Academie Militaire
📝 Source : Presse Aboaho Ankiaka

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…

CROIX ROUGE MALAGASY

Posted by - janvier 15, 2025 0
Nanatanteraka hetsika fanetanana ireo mpilatsaka antsitra_po avy ao amin’ny croix rouge Malagasy ato Morondava manatanteraka fanairana sy fanetanana mikasika ny…