ANTSOHIHY : NAMOY NY AINY ILAY MIARAMILA VOAFIRA TAO ANJIAMANGIRINA

232 0
☑️ Ny harivan’ny 12 Desambra 2023 efa somary maizina no nisy namira tampoka teo amin’ny lohany tao Anjiamangirina II ity mpitandro filaminana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity ka nifamonjena‚ nohentina namonjy toeram-pitsaboana ary nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo fa noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tàna ny ainy omaly maraina ny Alarobia 13 Desambra 2023‚ araka ny fanazavana.
 
☑️ Tsy mbola fantatra ary mbola karohina hatreto ilay nahavanin-doza. Mbola Tovolahy‚ manao asa fampandriana ny tany ao amin’ny kaominina Anjiamangirina sy ny manodidina‚ mitondra galona “Kaporaly” ity maty noho ny fira nahazo ity. Tsy mora tokoa ny asa fanompoana Tanindrazana ary mihatra aman’aina izany‚ koa mankahery ny fianakaviana rehetra ary koa ny fianakaviaben’ny Foloalindahy Malagasy.
 
⛔ Kasaina hoentina any amin’ny fasan-drazany Distrikan’i Mandritsara ny razana raha tsy misy ny fiovana
📷 : Sary Fanehoana | Academie Militaire
📝 Source : Presse Aboaho Ankiaka

Related Post

Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

Posted by - juillet 4, 2025 0
𝐙𝐚𝐯𝐚-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐨 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚! 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐕𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 – 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 — Farafangana, 4 Jolay 2025 Nitondra fanantenana sy…