ANTENIMIERAM-PIRENENA : LANY TSY NISY NITSIPAKA NY VOLAVOLAN-DALANA LAHARANA 022/2023,

328 0
⚖️ MINISTERAN’NY FITSARANA
ANTENIMIERAM-PIRENENA : LANY TSY NISY NITSIPAKA NY VOLAVOLAN-DALANA LAHARANA 022/2023, MIKASIKA NY FAMOTSIAM-BOLA SY FAMATSIAM-BOLA NY ASA FAMPIHOROHOROANA. NISAOTRA NY SOLOMBAVAMBAHOAKA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.
 
📌Alarobia faha – 13 Desambra 2023, teto amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eto Tsimbazaza. Niatrika ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, nitondra ny fanazavana ara-politika, ara-tekinika ary ara-tsosialy ny antony nitondrana fanovana sy famenoana ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna laharana 2018-043 tamin’ny 13 Febroary 2019, mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Izany dia nialohavan’ny tatitra nataon’ny Mpampakan-teny eo anivon’ny Vaomieran’ny lalàna eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, narahin’ny fanazavana ny fomba fiasa tamin’ny fandinihana ny fanitsiana sy ny fanovana, izay nataon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny lalàna.
 
📎 Taorian’ny tsangan-tanana amin’ny isan’andininy sy ny fandaniana amin’ny ankapobeny dia lany tsy nisy nitsipaka ny Volavolan-dalana laharana 022/2023 tamin’ny 04 Oktobra 2023 mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna teo aloha mikasika izany.
 
Misy andininy 22 ity lalàna vaovao ity ary 3 ny andininy vaovao nampidirana ao anatiny.
Taorian’izay dia nisaotra ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nohon’ny fahatsapan’izy ireo ny maha-zavadehibe ny sokajin-dalana toy ity vao nolaniana ity.
Nangon’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…