ANTALAHA | AMBODIVOANGY COMMUNE RURALE ANTSAHANORO

360 0
Ny 23 Desambra 2023 lasa teo no notakana tamim-pomba ofisialyny tranonm-panjakana eto amin’ny Fokontany Ambodivoahangy, olo-manankaja maro, sivily sy miaramila, izay notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana Andriamatoa Harivelo Thierry Injafy no tonga nanotrona sy nanome vonihaitra izany fanokanana ofisialy izany.
 
Tiana no mampahafantara fa ity fotodrafitrasa ity dia namboarin’ny Ben’ny Tanana Harivelo Thierry Injafy no angady nanana sy vy nahitana azy.
 
Nanditra ny lanonana fanokanana, dia nohatitrateriny ny fahavononany hiasa, ary mbola hiasa hatrany hoan’ireo vahoaka nametraka fahatokisana taminy.
 
Tonga nanafana ny lanonana solontena artiste zanak’Antalaha ( Chriscilo Øfficiel , #Germain , Ruchna Amsa )
Ankafaliana tanteraka ny nandraisan’ny avhoaka izao asa mivainagana izao, ka ny firariantsoa sy fisaorana feno fankasitrahana no natolotr’izy ireo ny Ben’ny Tanana,  « Tohizo fa tsara ny hezaka vita ».
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀.

Posted by - avril 11, 2025 0
𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 – 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀. Ny lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian no mitarika ny delegasionina aty Toliara.…