Anosipatrana | Noesorina ireo fakobe nivangongo

262 0

Nariana vonjimaika teny amin’ny digue Anosipatrana ireo fako teto Antananarivo satria nisy fahatapahany ny lalana makeny Andralanitra

Efa tonga ety Anosipatrana ireo fitaovana voalohany handroka ireo fako, hanalalaka ny arabe eto amin’ny digue Anosipatrana, fantatra ihany koa fa efa misy ny vahaolana vonjimaika amin’ny fanaterana ny fako eny Andralanitra ka hiverina amin’ny laony tsikelikely araka izany ny fizotrin’ny fanariana ny Fako.

Rehefa vita izay asa voalohany izay, voarara ny manary sy manambatra ireo fako avy amin’ny kaomina manodidina eto Anosipatrana. 

Ankoatra izay, dia efa nisy ny fampitaovana nafarana ary efa andalana izany ho famahana tanteraka ny olana amin’ny fako eto Antananarivo izay efa voafaritra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra.

Diovina ary tsy hanariana fako intsony  hoy ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…