Anosipatrana | Noesorina ireo fakobe nivangongo

479 0

Nariana vonjimaika teny amin’ny digue Anosipatrana ireo fako teto Antananarivo satria nisy fahatapahany ny lalana makeny Andralanitra

Efa tonga ety Anosipatrana ireo fitaovana voalohany handroka ireo fako, hanalalaka ny arabe eto amin’ny digue Anosipatrana, fantatra ihany koa fa efa misy ny vahaolana vonjimaika amin’ny fanaterana ny fako eny Andralanitra ka hiverina amin’ny laony tsikelikely araka izany ny fizotrin’ny fanariana ny Fako.

Rehefa vita izay asa voalohany izay, voarara ny manary sy manambatra ireo fako avy amin’ny kaomina manodidina eto Anosipatrana. 

Ankoatra izay, dia efa nisy ny fampitaovana nafarana ary efa andalana izany ho famahana tanteraka ny olana amin’ny fako eto Antananarivo izay efa voafaritra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra.

Diovina ary tsy hanariana fako intsony  hoy ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka

Related Post

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…