AMBOASARY SUD « NDAO HAJÀ NY FANOLORANTEGNATSIKA : AJANOGNO GNY FAMPIASA ZAZA »

121 0
Ny Distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anosy no nampiantrano ny fankalazana rejionaly ny andro maneran-tany momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy ny 28 septambra 2024.
Tonga tany an-toerana ny delegasiona notarihan-dRamatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, Minisitry ny Asa, Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana nanome voninahitra ity lanonam-pankalazana ity. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka taminy ihany koa ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Amboasary Atsimo, ny Governoran’ny Faritra Anosy sy ireo olo-manan-kaja maro.
Ny lohahevitra tamin’ity taona ity moa dia ny hoe «NDAO HAJÀ NY FANOLORANTEGNATSIKA : AJANOGNO GNY FAMPIASA ZAZA »
Nandritra ny lahateniny dia nanentana ireo Ray amandreny mba handefasany ny ankizy any an-tsekoly Ramatoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana.
Nidera ny ezaka vitan’ny Komity Rejionaly momba ny Ady amin’ny Fampiasana Ankizy (CRLTE) sy ny Komity Ifotony momba ny Ady amin’ny Fampiasana Ankizy (CLLTE) izy, ary maniry koa ny hitohizan’izany maharitra.
Nomarihany ihany koa fa notohanan’ny Fitondrana foibe ity fankalazana ity. Momba izay indrindra mantsy dia nisy ny fankalazana nasionaly ny ady amin’ny fampiasana ankizy ity izay teo ambany fiahian-dRamatoa vadin’ny Filoham-pirenena natao tany amin’ny Faritra Atsinanana ny volana jolay lasa teo.
Nohon’ny ezaka nataon’ny Komity Ifotony sy ny Komity Rejionaly izay miisa 58 ao amin’ireo Kaominina 4 : RANOPISO, BEHARA, TRANOMARO, MAROMBY; miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PACT, TDH, SAVE THE CHILDREN, UNICEF, AEPI, ALT, FAFAFI) ) dia efa maherin’ny 3 000 ny isan’ny zaza tafiditra an-tsekoly tany amin’iny Faritra iny nandritra ny hetsika maro vita tao anatin’ny roa taona.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY

Related Post

𝑳𝒊𝒆𝒖𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏𝒕 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑨𝑴𝑩𝑰𝑵𝑰𝑵𝑨 𝑯𝒆𝒓𝒏𝒐𝒍𝒅 | 𝐓𝐀𝐆𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀

Posted by - avril 19, 2025 0
𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐌𝐎𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐁𝐄𝐌𝐁𝐀𝐑𝐘 𝐓𝐀𝐆𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 -𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐍𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐌𝐎𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐌𝐀𝐅𝐈 Ny 𝑳𝒊𝒆𝒖𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏𝒕 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑨𝑴𝑩𝑰𝑵𝑰𝑵𝑨 𝑯𝒆𝒓𝒏𝒐𝒍𝒅 izay lefitry ny…