ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ENY ANIVON’NY FONJA: NATOMBOKA NY FAMBOLENA HAZO FIHINAM-BOHO ENY ANIVON’NY CAMP PÉNAL. NISANTARANA IZANY NY AO ANTSIRABE.

148 0
 
📌Sabotsy faha – 23 Marsa 2024.
 
Camp Pénal Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II,
tany mirefy 1ha no nambolena hazo fihinam-boho miisa 300 fototra.
Paoma 50, poara 50, paiso voloina 60, paiso malama 80, zavoka 50, kaky 10.
 
➡️Telo taona dia azo hitazana ny vokatra. Ireo dia hanampiana ny sakafo eny anivon’ny fonja ka ady amin’ny vokadratsin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny Voafonja no tanjona amin’izany.
Nanamafy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina fa Zon’ny Voafonja, amin’ny maha-olombelona azy ny fihinanana sakafo ampy sy ara-pahasalamana, ary ankoatr’izay dia fanomanana ny Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina no antom-pisian’ny Toby famokaran’ny Voafonja.
 
⭕Ho tanterahana manerana ny Toby famokaran’ny Voafonja manerana an’i Madagasikara arak’izany ny Fambolena hazo fihinam-boho.
Raha ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, izy no tobim-pamokarana fitaratra ho an’ny Talem-paritry ny fitantanana ny Fonja anatin’ny Faritra Vakinankaratra, izay hahitana velaran-tany mirefy 16ha, ary efa misy voly vary sy katsaka, ankoatr’ireto hazo fihinam-boho, avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.
 
⭕Miara-miasa ara -tekinika amin’ny Fambolena sy fikojakojana ny hazo fihinam-boho ny La Pépinière d’ Antsirabe. Marihana fa manana omby miisa efatra ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, vavy 1 ary lahy 3.
 
Nangonin’ Lay Mahintsy
Source : MinJust

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…