ADY AMIN’NY HERISETRA MIANJADY AMIN’NY VEHIVAVY SY NY ANKIZIVAVY 

182 0
 Omaly faha 25 Novambra 2023 no nosokafana amin’ny fomba ofisialy teto Morondava ny16 andro ho an’ny ady mahakasika ny herisetra mahaz o ny vehivavy sy ny ankizivavy, izay no tarihin’ny Talem_paritry ny mponina sy tompon’andraikim_panjakana eto amin’ny faritra Menabe.
 
Tao anatin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izay dia nisy ny lahateny nifandimbiasana ary nandritra izany lahateny izany no nanamafisana fa ny ady amin’ny herisetra dia tsy ao anatin’ny 16 andro fotsiny fa andavanandro sy mandavan_taona , fa ny 16 andro izay ankalazaina sy hanaovana hetsika maro dia ho fanomezan_danja ny vehivavy .
Raha ny herisetra dia tsy ny vehivavy rery no iharan’ izany fa na ny tanora , ny lehilahy ka noho izany dia ndao iaraka hientana , hifanentana , hifampitaiza , hiaraka iady amin’ny herisetra .
 
Nangonin’i RaPa Menabe
 
 

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…

𝐌𝐢𝐥𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐑𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐞

Posted by - janvier 24, 2024 0
𝔸𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕓𝕖𝕒𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕒𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕒𝕟𝕚𝕠.   Raisinay ho adidy manokana ny fanaovana izao tatitra izao amin’ny Fitondram-panjakana. Raha…