Tontosa anio tao amin’ny EPP – Marianina, CR Ambohiboromanga, Cisco Ambatondrazaka ny » HETSIKA FIRAISAN-KINA HO AN’NY ANKIZY HANALA FANADINANA ». Mpiadina CEPE miisa 104 no novatsiana sakafo (Vary sy Laoka ary Dessert) hanalana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dreny eto amin’ity Centre ity.
Nosafidiana ity Foibem-panadinana ity nohon’ny fisian’ny Mpiadina tena avy lavitra araka ny tolo-kevitra avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena aty an-toerana ary ireo rehetra tonga dia mankasitraka izao Hetsika izao ary feno fankasitrahana izany.
Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny DAGR Alaotra Mangoro, DRPS Alaotra Mangoro, DREN Mpisolo toerana, ireo Talem-paritra samihafa, ny Solontenan’ny Kaominina, ny Talen-tsekoly ary ireo Ray aman-dreny. Izao no tontosa dia nohon’ny fiarahamiasa tamin’ny Orinasa Madagascar Green Product (MGP) ary ny Orinasa SMMEC. Hisaorana ihany koa ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo Fikambanam-behivavy tamin’ny fikarakarana rehetra.
Mirary soa sy fahombiazana ireo kilonga niatrika fanadinana androany isika.
Nohon’ny fiarahamiasa eo amin’ny fikambanana IO’RENALA sy ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa dia tonga nitsidika ny faritra Menabe…
Namaly ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny EPP Betambako ,Zap Bejofo, Cisco Ambatondrazaka ny Solombavam-bahoaka José…
Mandeha dia an_tongotra any amin’ny 2 kilometatra any ho any hatramin’izay ireo mpianatra eto antampon_tanànan’i kaominina Ambatomirahavavy vao mahita sekoly…