CISCO PORT-BERGE | EZAHINA HIVOAKA MIALOHAN’NY FETIM-PIRENENA NY VALIM-PANADINANA CEPE 2024.

252 0
Hiasa mafy fa mirindra sy milamina ao anaty herinandro ireo mpikirakara ny fanadinam-panjakaa CEPE 2024 ato amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Port-Bergé mba hahatafavoahana ny vokatra alohan’ny 26 Jona, hoy Chef CISCO Rahamaizara Régis. 21 ny foibem-panadinana izay ahitana efitranom-panadinana 146 ary 5.243 no mpiadina voasoratra anarana ato amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé. 5 ka hatramin’ny 6% eo ny fiakaran’ny tahan’isan’io raha ampitaina tamin’ny taona lasa.
Tao amin’ny foibem-panadinana CEG Tsarasaotra Port-Bergé izay ahitana efitranom-panadinana 36 sy mpiadina voasoratra anarana 930 no nanokafana izao fanadinam-panjakana voalohany izao ho an’ny CISCO Port-Bergé. Ny Lehiben’ny Disitrika, Todivelo Cyrille no nanaokatra azy ara-panjakana sy tamin’ny fomba ofisialy. Nanome voninahitra izany ny Ben’ny tanàna andrenivohitta sy ireo Lehiben’ny mpitandro ny filaminana eto an-toerana.
Ankoatra ireo iraka manokana nalefan’ny Talem-paritra avy any Antsohihy dia tonga hanara-maso ny fizotran’ny fanadinana izao koa ny Talen’ny ONEP (Office National de l’Enseignement Privé) izay sady Tale Mpiahy ny Faritra Sofia eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenana, Jean Emile.
Hatramin’ny hariva nifaran’ny adina teo dia tsy nisy olana govana ny tato anaty Disitrikan’i Port-Bergé. Marihina fa 09 taona no zandry raha 20 no zokiny indrindra amin’ireo mpiadina voasoratra anarana ato amin’ny CISCO Port-Bergé.

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…