β–Ίπ…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ„ππ€ππ„ β—„ : βž€π…πˆπ…π€πŒππˆπ™π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 π•πŽπ“πŽπ€π“πˆπβ€™ππ˜ π“π€π‡πˆπ‘πˆππŠπ„π•πˆπ“π‘π€ π‡πŽ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ π„ππ˜ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜

54 0

⏩Notanterahina nandritrin’ny dimy andro teto amin’ny renifohitry ny faritra Menabe tao amin’ny Espace Chris Morondava ny atrik’asa nokarakarain’ny ministeran’ny fahasalamana niarahana tamin’ny mpiara-miombonantoka USAID-ACCESS mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ety ifotony izay tafiditra ao anatin’ny fanampariahana ny antotan-kevitra mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ety ifotonny izay novolavolaina ka amparitaka  amin’ireo faritra 23 tsy very anjara amin’izany ny faritra Menabe ka ny faha 15 hatramin’ny faha 19 Aprily no nanatanterahana izany ka nahitana ireo mpandray anjara avy amin’ny distrika dimy izay notarihin’ny mΓ©decin inspecteur  dimy ary ireo avy ao amin’ny USAID ACCESS sy ireo olo-be ary ireo tompon’andraikim-panjakana ato amin’ny faritra Menabe sy ireo filoham-pokotany izay   niara-namakafaka sy nandinika ireo antotan-kevitry mamaritra ny politikan’ny minisiteran’ny fahasalamana mikasika ny fahasalama eny ifotony izay ho hampiasaina sy hamparitaka eran’ny firenena ka nandritr’io dimy andro io no nandrafetana ny drafitr’asa hanatanterahina ity vinan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ity ka novolavolaina  tao anatin’izay ny paik-ady hatramin’ny taona 2026 ho an’ny faritra Menabe sy ny distrika tsirairay mandrafitra ny faritra mba hampiroborobo ny politikan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ety ifotony mba afahan’ny mpandray anjara rehetra misitraka ny fahasalama,-bahoaka amin’ny alalan’ny tanjon-ny minisitera hampihena ny taha-pahafatesan’ny reny sy ny zaza izay hiara miasa hatrany amin’ireo mpiara-miombonatoka maro saingy nisaorana manokana ny USAID ACCESS izay isan’ireo mpiara-miombonantoka mavitrika amin’ny fampi-roborobohana ny fahasalama ho an’ny daholobe ary hinoana sy hatenaina ny hampitombo ireo mpiara miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny fahasalamana hoy ny Docteur Rasolonjatovo Fanomesantsoa Liva MΓ©decin inspecteur  ny distrikan’ny Morondava

 

⏩Ka natolotra sy nodinihina niaraka tamin’ireo olo-be sy olom-panjakana ety amin’ny faritra ary  natolotra ireo ratsaman-gaika ety ifotony ho fanatanterahana izany antotan-kevitry ny fahasalamam-bahoaka ety ifotiny izany .

 

⏩Isany anton’izao ny fanamapriahana ny politikan’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny fanetanana ireo olo-be sy ny rafitra ety ifotiny mba hirotsaka an-tsehatra sy  handray an-tanana amin’ny fahasalamam-bakoaka satria tsy ho vitan’ny minisitera irery izany fahasalamam-bahoaka izany satria ny ety ifotony no tompon’izany fahasalamana izany fa  ny adidin’ny minisitera no manohana sy manosika ireo ety ifotony no andraikitry ny minisiteran’ny fahasalamana.

                                                                                                                                        πŸ“ Ra-Pa Menabe 

Related Post