๐— ๐—ข๐—ฅ๐—ข๐—ก๐——๐—”๐—ฉ๐—” : ๐—ก๐—œ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ž๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข ๐—œ๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ฆ๐—”๐— -๐—ฃ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—˜๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—ฅ๐—ข๐—œ๐—ซ-๐—ฅ๐—ข๐—จ๐—š๐—˜

55 0


Notanterahina tamim-pomba miavaka teto Morondava androany 8 Mai ny fankalazana ny Andro isaisam-pirenena ho an’i Croix-rouge sy Croissant rouge. Hetsika lehibe nampivondrona ireo mpikambana sy mpiasanโ€™ny Croix-Rouge avy aminโ€™ireo distrika maro manerana ny faritra Menabe izany.

Nosantarina taminโ€™ny filaharana lehibe namakivaky ny tanร nanโ€™i Morondava ny fotoana. Nandray anjara taminโ€™izany ireo delegasiona avy any Morondava, Belo Tsiribihy, Manja, Miandrivazo ary Mahabo. Niainga teo an-tampon-tanร na ny diabe ary nifarana tao aminโ€™ny foiben-toeranโ€™ny Croix-Rouge Morondava, toerana nanaovana ny lanonana ofisialy.

Nifandimby nandray fitenenana nandritra ny fotoana ireo tomponโ€™andraikitra isan-tsokajiny, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny asa fanasoavana sy ny andraikitra sahaninโ€™ny Croix-Rouge eo aminโ€™ny fiarahamonina, indrindra aminโ€™ny lafiny vonjy voina sy fahasalamam-bahoaka.

Ankoatra ny lanonana dia nisy ihany koa ny hetsika fanentanana ara-pahasalamana sy fanatanterahana ny vaksiny hiadiana aminโ€™ny aretina Nendran-drajako na โ€œMpoxโ€, ho fiarovana ny fahasalamanโ€™ny vahoaka.

Nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika manontolo Andriamatoa RAMBELOSON Achille Marius, Filoham-paritry ny Croix-Rouge, izay naneho ny fankasitrahany ireo mpikambana sy mpiara-miombonโ€™antoka rehetra miezaka hatrany manatanteraka ny iraka maha-olona sy fanampiana ny sahirana.

Io fankalazana io dia mariky ny firaisankina sy ny finiavana hanohy ny asa maha-olona ho tombontsoanโ€™ny fiarahamonina sy ny firenena.
โœ๏ธ RA PA

Related Post

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…

๐Œ๐„๐๐€๐๐„ ; ๐Ž๐๐† ๐’๐€๐‡๐ˆ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐Ÿ—๐Ÿ•% ๐“๐€๐๐‰๐Ž๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐€๐ƒ๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐€๐Š๐€

Posted by - novembre 15, 2024 0
๐‘ต๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’‚๐’๐’•๐’†๐’“๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐’‚๐’•๐’“๐’Š๐’Œโ€™๐’‚๐’”๐’‚ ๐’‡๐’‚๐’Ž๐’‘๐’‚๐’‡๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’“๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’‚๐’”๐’‚ ๐’›๐’‚๐’š ๐’๐’‚๐’•๐’‚๐’ ๐’•๐’‚๐’ ๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’Š๐’โ€™๐’๐’š ๐’•๐’†๐’๐’ ๐’—๐’๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ถ๐‘ต๐‘ฎ ๐‘บ๐‘จ๐‘ฏ๐‘ฐ ๐’‚๐’๐’…๐’“๐’๐’‚๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’‰๐’‚ 15 ๐‘ต๐’๐’—๐’†๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’† 2025 ๐’Œ๐’‚…