Nankalazaina taminโny fomba ofisialy tao aminโny kaominina ambanivohitra Analaiva ny andro maneran-tany ho anโny fijininihan-drร lava (hรฉmophilie), taminโny alalanโny hetsika fanentanana sy fanomezana tolotra maimaim-poana notanterahinโny ekipan’ny Fitaleovam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe, niaraka taminโny EMAR sy EMADย Morondavaย ary ny ekipan’ny CHRR Namahora
Natao tao aminโny biraonโny kaominina sy tao aminโny CSB II Analaiva ireo hetsika, ka nahitana fanazavana aminโny antsipiriany momba ny aretina hรฉmophilie, ny fomba isehoany ary ny fitsaboana azo atao. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny fanentanana mikasika ny valanaretina MPOX, ny maha-zava-dehibe ny vaksiny fiarovana, ary ny fanentanana ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo.
Nosafidiana manokana ny kaominina Analaiva noho izy efa nahitana tranga hรฉmophilie taloha. Nifanojo taminโny andro tsena zoma ihany koa ny hetsika, ka nahafahanโny olona avy aminโny fokontany lavitra sy ireo kaominina manodidina nanatrika betsaka, na teo anivonโny kaominina na tao aminโny tobim-pahasalamana satria ny andro tsena dia manararaotra mamonjy toeram-pitsaboina ny olona.
Ny lohahevitra nanamarika ity fankalazana ity taminโity taona ity dia ny hoe: โNy fitiliana no fiandohanโny fitsaboana.โ
Nitarika ny hetsika ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Menabe, Dr Jean Tsarahamba, izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanentanana aminโny fampahafantarana ny mponina momba ireo aretina sy ny fitsaboana tokony arahina.
Araka ny nambarany, tanjona lehibe ny hanakaiky hatrany ny vahoaka aminโny tolotra ara-pahasalamana, ary ny hahatratrarana ny vina hoe โfahasalamana ho anโny rehetra.โ
Ity hetsika ity dia anisanโny ezaka ataonโny tomponโandraikitra ara-pahasalamana aminโny fanamafisana ny fisorohana sy fitsaboana mialoha, indrindra ny tontolo ambanivohitra.
โ๏ธRA PA




