FIHAONANA TETO AMIN’ NY ONIVERSITE

249 0
📍 Nihaona tamin’ ny mpianatra teto amin’ ny Oniversite n’ i Farafangana ireo solontena avy amin’ ny Minisiteran ‘ ny Fahasalamam – bahoaka Ramatoa RABENANDRASANA Joliharisoa  » Directeur des Instituts de Formation des Paramédicaux » ( DIFP ), sy Ramatoa RASOANAIVO Tianamalala Oliva  » Chef de division à la Formation Initiale » ( ET/ DIFP ).
 
📍 Antony dia hisokatra eto amintsika ny PARAMED hanampiantsika ireo fianarana izay efa misy aty amin’ ny Oniversite eto Farafangana, izay ikatsahantsika hatrany ny ho avin ‘ ireo zanatsika ato anatin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana, hanamorana ihany koa ny eo am – pelatanan ‘ ny Ray amandreny tsy manana fahefana hampianatra ireo zanany any amin’ ny Oniversite ivelan ‘ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
 
📍 Tombony lehibe ho antsika izany, dia ny hanana tanora vita fiofanana ara – panjakana amin’ ity Paramed ity, ka tsy naman’ izay mihemotra isika hitsinjovantsika ny ho avin ‘ izy ireo. Vonona sahady arak ‘ izany ireo tanora mpianatra liana amin’ izany ato anatin’ ny Distrika 5 mandrafitra ny Faritra Atsimo Atsinanana izay tonga maro tokoa nanatrika tao, nihaino ny fanazavana sy ny pitsopitsony rehetra mahakasika izany.
 
📍 Ka eto ny Goverinoran’ ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur MAHAFAKY Justin izay angady nananana sy vy nahitana izao ary mbola vonona hatrany ny hanatsara ity Oniversite ity dia maneho fisaorana ny fitondram – panjakana tarihin ‘ ny Filoham- pirenena ANDRY Rajoelina, sy ny Minisitry ny Fampianarana ambony ary ny Minisitry ny Fahasalamam- bahoaka nanamora ny fangatahana ny fanokafana an’ izany ho tombontsoan’ ny zaza Malagasy fa indrindra ny aty amin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
 

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…