Nihaona tamin’ ny mpianatra teto amin’ ny Oniversite n’ i Farafangana ireo solontena avy amin’ ny Minisiteran ‘ ny Fahasalamam – bahoaka Ramatoa RABENANDRASANA Joliharisoa » Directeur des Instituts de Formation des Paramédicaux » ( DIFP ), sy Ramatoa RASOANAIVO Tianamalala Oliva » Chef de division à la Formation Initiale » ( ET/ DIFP ).
Antony dia hisokatra eto amintsika ny PARAMED hanampiantsika ireo fianarana izay efa misy aty amin’ ny Oniversite eto Farafangana, izay ikatsahantsika hatrany ny ho avin ‘ ireo zanatsika ato anatin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana, hanamorana ihany koa ny eo am – pelatanan ‘ ny Ray amandreny tsy manana fahefana hampianatra ireo zanany any amin’ ny Oniversite ivelan ‘ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Tombony lehibe ho antsika izany, dia ny hanana tanora vita fiofanana ara – panjakana amin’ ity Paramed ity, ka tsy naman’ izay mihemotra isika hitsinjovantsika ny ho avin ‘ izy ireo. Vonona sahady arak ‘ izany ireo tanora mpianatra liana amin’ izany ato anatin’ ny Distrika 5 mandrafitra ny Faritra Atsimo Atsinanana izay tonga maro tokoa nanatrika tao, nihaino ny fanazavana sy ny pitsopitsony rehetra mahakasika izany.
Ka eto ny Goverinoran’ ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur MAHAFAKY Justin izay angady nananana sy vy nahitana izao ary mbola vonona hatrany ny hanatsara ity Oniversite ity dia maneho fisaorana ny fitondram – panjakana tarihin ‘ ny Filoham- pirenena ANDRY Rajoelina, sy ny Minisitry ny Fampianarana ambony ary ny Minisitry ny Fahasalamam- bahoaka nanamora ny fangatahana ny fanokafana an’ izany ho tombontsoan’ ny zaza Malagasy fa indrindra ny aty amin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Nohon’ny fiarahamiasa eo amin’ny fikambanana IO’RENALA sy ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa dia tonga nitsidika ny faritra Menabe…
Namaly ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny EPP Betambako ,Zap Bejofo, Cisco Ambatondrazaka ny Solombavam-bahoaka José…
✅Androany no andro voalohany ho an’ny fampirantiana izay ataon’ny bank’i foiben’ny Madagasikara eto Morondava ka hita nandritrin’ny fandalonavana teny an-toerana…
Mitombo isa hatrany ny profesora eo anivon’ny Oniversitean’i Fianarantsoa. Nahatontosa ny thèse de soutenance HDR (Habilité à Diriger des Recherches),…