MBOLA NOROMBAHAN’NY ZANDARY JEAN DE DIEU NY AMBOARA MASTER 3

197 0
🏅HAZAKAZAKA K.V.A.A 7è Édition : MBOLA NOROMBAHAN’NY ZANDARY JEAN DE DIEU NY AMBOARA MASTER 3🏅
 
Mavitrika amin’ny fandraisan’anjara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka ary tsy mitsahatra ny mitondra avo hatrany ny anaran’ny Zandarimariam-pirenena ny GPCE (er) RAKOTONDRASOA Jean de Dieu.
Tafiditra voalohany tamin’ny hazakazaka lavitr’ezaka  » K.V.A.A 7°Edition (Kilomètre Vertical Angavobe, Angavokely)  » izy , ny asabotsy faha 9 desambra lasa teo.
 
Adim-pamataranandro 2 sy 28 minitra ary 08 segondra no nahavitany ny halaviran-dalana ho 17 km, niainga teo Ambohimiadana Carion tamin’ny 08 ora maraina, niakatra sy nidina an’Angavokely sy Angavobe.
Izy no nitazona ny laharana voalohany tamin’ny sokajy « Master3 » raha faha 57 kosa tamin’ireo 1250 mpandray anjara amin’ny ankapobeny.
 
Maodely mendrika ho alain-tahaka hoan’ireo tanora amperin’asa izao ataon’ny Zoky Raiamandreny izao. Fantatra izao fa dia hifampizara traikefa amin’ireo Zandary misehatra amin’ny fanenjehan-dahalo izy, amin’ny fomba fisefoana an’hazakaka mba tsy handreraka mialoha sy ahamarin-kendry hatrany ny hitsin-tifitra (Hairaha miaramila).
Source : InfoCom Seg
Nangonin’i ‘Lay Lahintsy
 

Related Post

Fikambanana TAHIO GN’ATEGNA | TOURNOI FOOT-BALL COUPE AOMBY MATAVY

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐅𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐙𝐎𝐌𝐀 𝟎𝟓 -𝟎𝟏-𝟐𝟎𝟐𝟒 | 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐀𝐇𝐈𝐎 𝐆𝐍’𝐀𝐓𝐄𝐆𝐍𝐀 | 𝐓𝐎𝐔𝐑𝐍𝐎𝐈 𝐅𝐎𝐎𝐓-𝐁𝐀𝐋𝐋 𝐂𝐎𝐔𝐏𝐄 𝐀𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟓 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝟐𝟒 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚…