Kianja Ambohibemasoandro | Nivoaka Mpandresy ny ekipa FC MIRAY

278 0
Kianja Ambohibemasoandro | Nivoaka Mpandresy ny ekipa FC MIRAY
Ny Alahady 12 novambra 2023 lasa teo no tao amin’ny natao kianja Ambohibemasoandro ny Ady baolina kitra lehibe , izay nikatrohan’ny Ekipa vofantina ny FC MIRAY sy ny Ekipa vofantina FC PORTING
Nandresy nazava tamin’ny isa 02 no tsy misy ny ekipa FC MIRAY raha nanoloana ny ekipa FC PORTING.
 
Omby iray (1), ondry roa (2), ary fanamiana mitovy hoan’ny ekipa  (3), baolina   ary miampy  lelavola no nozarain’ny Mpikarakara hoan’ireto tanora mpanao fanatanjahan-tena ireto.
 
Tiana ny manipika fa matoa izao lalao izao no tanteraka dia tao ireo Mpikarakara sy Mpanohana na ara-bola na aram-pitaovana, koa anisan’izany nanohana ity « tournoi » ity Andriamatoa Randriamparany Jean Bosco sy ny ekipany, koa dia fisaorana feno ary tamin-kafaliana hatrany no nanoloran’ireo ekipa mpilalao sy ny vahoaka izao tan-tsoroka lehibe nataon’ireo ny tanora izao.
 
Andaniny, nifanolo-tànana tamin’ny ny hetsika ireo mpitarika ny Tanora Tiako I Madagasikara Solofo Andrianantenaina sy Amel Rasamison ary ny mpikarakara teny an-toerana.
 
Haterina hatrany fa ho lasa lavitra ny tanoran-tsika raha maromaro ny tsara sitram-po manana fahavonona hanampy azy ireo tahaka izao.
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

Fikambanana TAHIO GN’ATEGNA | TOURNOI FOOT-BALL COUPE AOMBY MATAVY

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐅𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐙𝐎𝐌𝐀 𝟎𝟓 -𝟎𝟏-𝟐𝟎𝟐𝟒 | 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐀𝐇𝐈𝐎 𝐆𝐍’𝐀𝐓𝐄𝐆𝐍𝐀 | 𝐓𝐎𝐔𝐑𝐍𝐎𝐈 𝐅𝐎𝐎𝐓-𝐁𝐀𝐋𝐋 𝐂𝐎𝐔𝐏𝐄 𝐀𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟓 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝟐𝟒 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚…