Kianja Ambohibemasoandro | Nivoaka Mpandresy ny ekipa FC MIRAY

540 0
Kianja Ambohibemasoandro | Nivoaka Mpandresy ny ekipa FC MIRAY
Ny Alahady 12 novambra 2023 lasa teo no tao amin’ny natao kianja Ambohibemasoandro ny Ady baolina kitra lehibe , izay nikatrohan’ny Ekipa vofantina ny FC MIRAY sy ny Ekipa vofantina FC PORTING
Nandresy nazava tamin’ny isa 02 no tsy misy ny ekipa FC MIRAY raha nanoloana ny ekipa FC PORTING.
 
Omby iray (1), ondry roa (2), ary fanamiana mitovy hoan’ny ekipa  (3), baolina   ary miampy  lelavola no nozarain’ny Mpikarakara hoan’ireto tanora mpanao fanatanjahan-tena ireto.
 
Tiana ny manipika fa matoa izao lalao izao no tanteraka dia tao ireo Mpikarakara sy Mpanohana na ara-bola na aram-pitaovana, koa anisan’izany nanohana ity « tournoi » ity Andriamatoa Randriamparany Jean Bosco sy ny ekipany, koa dia fisaorana feno ary tamin-kafaliana hatrany no nanoloran’ireo ekipa mpilalao sy ny vahoaka izao tan-tsoroka lehibe nataon’ireo ny tanora izao.
 
Andaniny, nifanolo-tànana tamin’ny ny hetsika ireo mpitarika ny Tanora Tiako I Madagasikara Solofo Andrianantenaina sy Amel Rasamison ary ny mpikarakara teny an-toerana.
 
Haterina hatrany fa ho lasa lavitra ny tanoran-tsika raha maromaro ny tsara sitram-po manana fahavonona hanampy azy ireo tahaka izao.
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…