Nisy ny hetsika fitakiana nataonβireo mponina avy ao Andranokana, izay mitaky ny zony aminβny raharaha mahakasika ny fandoavana ny anjara vola tokony ho azonβizy ireo. Nosakanana nandritra izany ny lalana mankany aminβny orinasa QMM.
Omaly Alahady, tokony ho taminβny 10 ora sy 27 minitra, dia noravana ny sakana nataonβireo mpitaky ny zony. Tsy nisy ny herisetra taminβizany, fa vokatry ny fifampiresahana sy ny fanelanelanana nataonβireo Raiamandreny sy ny solontenam-panjakana eto Taolagnaro.
Tsiahivina fa efa nisy ny fifampiresahana teo aminβny roa tonta, saingy mbola tsy nahitana marimaritra iraisana hatreto. Araka ny fanazavanβireo mpitaky, dia efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka momba ity raharaha ity, ka milaza izy ireo fa efa nahazo rariny teo anivonβny fitsarana.
Na izany aza, mbola mijanona ho olana ny tsy fahitana vahaolana aminβny fomba fampiharana izany, ka mitaky fifampiresahana sy fifanarahana mazava eo aminβny andaniny sy ankilany.
Tapaka nandritra ny fifampiresahana omaly fa hisy fivoriana indray androany tolakandro, izay hiarahanβireo mpitaky ny zony, ny tomponβandraikitry ny orinasa QMM, ireo Raiamandreny eto Fort-Dauphin ary ny solontenam-panjakana eto an-toerana.
Antenaina fa hitondra vahaolana maharitra izao fifampidinihana izao, indrindra fa ny fivelomanβireo mponina ao Andranokana no voalaza fa voakasika mivantana. Manana ahiahy izy ireo fa ny olana momba ny tany sy ny fahafahana mamboly dia mety hanasarotra hatrany ny fiainanβireo tantsaha.
Mbola miandry ny vokatry ny fifampiresahana kasaina hatao androany Γ ry ny mponina sy ireo voakasika rehetra, aminβny fanantenana fa hahitana vahaolana ekenβny roa tonta.




