Manomboka amin’ny tapaky ny volana Mey ka hatramin’ny tapaky ny volana Aogositra no tena vanim-potoana fanaovana famorana zazalahy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Fotoana mangatsiatsiaka kokoa io, ka heverina fa manampy amin’ny fahasitranan’ny fery sy mampihena ny mety hisian’ny fahasarotana.
Samy manana ny fomba entiny mankalaza sy manatanteraka ny famorana ny faritra sy ny foko samihafa eto amin’ny Nosy. Ho an’ny fianakaviana sasany, dia entina mivantana eny amin’ny dokotera ilay zaza, ka atao amin’ny fomba tsotra sy ara-pahasalamana, ary havana akaiky vitsivitsy ihany no manatrika izany.
Misy koa ankehitriny ny famorana amin’ny fomba maoderina, izay antsoin’ny maro hoe “fomba amerikanina”. Voalaza fa tsy dia mampandeha rà izany ary ahafahan’ilay zaza manao pataloha sy miverina haingana amin’ny fiainana andavanandro.
Any amin’ny faritra sasany kosa dia mbola tanterahina ny famorana faobe, ka mety ho zazalahy maro avy amin’ny kaominina iray no indray foraina. Matetika dia misy fombafomba nentin-drazana, fanomanana ara-pianakaviana na fotoam-pivavahana mialoha ny fanatanterahana izany.
Eto Antananarivo, ny famorana zazalahy dia mety hiseho amin’ny endrika fety lehibe. Antsoina ny mpitendry sy mpitsoka mozika, entina mitety tanàna ilay zaza, arahina dihy sy horakoraka, ary mitso-drano azy ireo olona sendra lalovana mba hahavita soa aman-tsara ny dingana.
Anisan’ny fomba mbola hita amin’izany ny fakana ny “rano mahery”, izay andraisan’ireo zatovolahy ao amin’ny fianakaviana anjara, ho mariky ny tanjaka sy ny firaisankina. Amin’ny fianakaviana sasany, tsy dokotera no manatanteraka ny famorana fa ilay antsoina hoe Rainjaza, izay olona manana traikefa sy andraikitra manokana amin’ity fomba ity.
Hajain’ny olona ihany koa ny filaharana eny an-dalana mandritra ny lanonana. Matetika dia mampihena hafainganam-pandeha na mijanona vetivety ireo fiara sendra azy, raha ireo mpandray anjara kosa no misintaka mba tsy hibahana ny fifamoivoizana.
Mihoatra noho ny fomba ara-batana fotsiny ny famorana eo amin’ny fiarahamonina Malagasy. Fotoana iarahan’ny fianakaviana, itahirizana ny fomba nentin-drazana, ary anamarihana dingana lehibe iray eo amin’ny fiainan’ny zazalahy izy io. Na dia miova arakaraka ny faritra sy ny vanim-potoana aza ny fomba fanatanterahana azy, dia mbola manana toerana lehibe eo amin’ny kolontsaina Malagasy ny “Andron-jazalahy”.
Nangonin’Lay Mahitsy




