ADIN-TANY “LA CYBELLE” AO ANKILILOAKA: FIFANARAHANA EFA TRATRA, SAINGY NIAFARA TAMIN’NY FISAMBORANA OLONA IRAY

98 0

Nandalo raharaham-pitsarana naharitra ny fifanolanana teo amin’ny mpandova ny terak’i Rakotobe sy ireo fokonolona mivondrona ao amin’ny Fikambanana Mandrosoana Misitraka ny Harena eny Ifotony na F.M.M.H.I., momba ny tany antsoina hoe “La Cybelle”, ao Ankiliabo-Ankatepoky, Kaominina Ankililoaka, Distrikan’i Toliara-II. Efa nahitana marimaritra iraisana ny roa tonta taorian’ny fanelanelanana nataon’ny mpisolovava, saingy nipoitra indray ny olana taorian’ny fidinana ifotony nataon’olona nilaza ho solontenan’ny manampahefana.

Nifarana tamin’ny fifanarahana ny raharaham-pitsarana

Araka ny fanazavana voaray, dia eken’ny roa tonta fa ny terak’i Rakotobe no tompony sy mpandova ny tany “La Cybelle”. Taorian’ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana nataon’ny mpisolovava dia nahita vahaolana ny mpandova sy ny fokonolona, ka nifanaraka hampitsahatra ireo raharaham-pitsarana rehetra nifandraika tamin’ilay adin-tany.

Ny Alakamisy 23 Jolay 2026, dia natao teny amin’ny tany “La Cybelle” ny fampahafantarana ampahibemaso momba ny fahataperan’ny fifanolanana. Araka ny fitantaran’ireo voakasika, dia nanatrika izany ny mpisolovavan’ny mpandova, ny tompon’andraikitra misahana ny fananan-tany, ny solontenan’ny fikambanana ary ireo olona hafa voakasika.

Nambara tamin’izany fa hampanjakaina ny fifampiresahana sy ny fihavanana, ka hatsahatra ireo fifanolanana ara-pitsarana teo amin’ny roa tonta.

Hozaraina mitovy ny tany

Voalaza tao anatin’ny fifanarahana fa hozaraina roa mitovy ny ampahany amin’ny tany voakasika.

Ny 5,4 hektara dia hatolotra ireo mpamboly sy mpikambana ao amin’ny F.M.M.H.I., izay efa nanajary sy nivelona tamin’ilay tany. Ny 5,4 hektara ambiny kosa dia hijanona ho an’ny mpandova ny terak’i Rakotobe, izay soloin-dRamatoa Baofety Mamy tena.

Araka ireo antontan-taratasy naseho tamin’ny fanaovana ny fifanarahana, dia nilaza Ramatoa Baofety Mamy fa izy no zanaka sy mpandova sisa velona an-dRakotobe Pierre. Ny kopian’ny sora-pahaterahana sy ny kara-panondrom-pirenena no voalaza fa nampiasaina hanamarinana izany, talohan’ny nanaovana sonia sy fanamarinana ara-panjakana ny fifanarahana teny amin’ny Kaominina.

Fidinana ifotony taorian’ny fifanarahana

Taorian’izany anefa, dia voalaza fa naharay antso an-tariby avy amin’olona iray nilaza ho tompon’andraikitra ambony ao amin’ny sampandraharahan’ny Fanajariana ny Tany ao Toliara ny Filohan’ny Fokontany.

Nangataka ny hamoriana ny fokonolona ao Ankatepoky io olona io, noho ny fidinana ifotony nokasaina hatao ny Zoma 24 Jolay 2026 momba ny tany “La Cybelle”. Nampahafantarina izany ny mpandova Rakotobe sy ny F.M.M.H.I.

Tonga teny an-toerana tamin’ny fotoana nifanarahana ny delegasiona maromaro. Araka ny fitantaran’ireo nanatrika, dia nilaza ny vehivavy iray nitarika ny delegasiona fa iraka avy amin’ny minisitra misahana ny fanajariana ny tany izy ireo, ary nisy tamin’ireo delegasiona koa no nolazaina fa solontenan’ny Lehiben’ny Faritra Atsimo-Andrefana.

Nisy olona hafa voalaza fa tompon’ny tany

Araka ny fanambarana nampitaina tamin’ny fokonolona, dia voalaza fa misy taratasy fanamarinana ny fisoratana sy ny sata ara-dalàn’ilay tany, na certificat d’immatriculation et de situation juridique, mitondra ny anaran’olona iray antsoina hoe Dety, izay voalaza fa efa nodimandry ary nolazaina fa zanak’i Rakotobe tamin’olon-kafa.

Noho izany, dia nasaina niala tsy misy hatak’andro tao amin’ny tany “La Cybelle” ireo fokonolona sy mpikambana ao amin’ny fikambanana, izay efa namboly sy nanajary ny toerana. Voalaza fa nasaina nampiato ny fambolena ihany koa ny mpandova ny terak’i Rakotobe.

Nanambara anefa ireo fokonolona fa tsy mahalala ilay olona voalaza ho tompon’ny tany. Notsindrian’izy ireo fa ny antontan-taratasy naseho nandritra ny fifanarahana no nanondro an-dRamatoa Baofety Mamy ho mpandova.

Nangataka ny hampisehoana ny taratasy ny solontenan’ny fikambanana

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nandray fitenenana Ramatoa Rasoanirina Joceline, mpikambana ao amin’ny biraon’ny F.M.M.H.I.

Nangataka izy mba haseho amin’ny fokonolona ilay taratasy voalaza fa manaporofo ny fisoratan’ny tany amin’olon-kafa. Nangataka ihany koa izy mba haseho ny didim-pitsarana na fanapahan-kevitra ara-dalàna ahafahana mandroaka ireo mponina sy mandrara azy ireo tsy hanohy ny fambolena.

Nambarany fa raha tsy misy na tsy aseho ireo antontan-taratasy ireo, dia heverin’ireo mpamboly fa mbola manan-jo hanohy ny fambolena sy ny fanajariana ny tany izy ireo.

Araka ny filazan’ireo nanatrika, dia namaly ilay vehivavy nilaza ho iraky ny minisitra fa misy tokoa ireo taratasy ary eny am-pelatanany, saingy tsy afaka nampiseho izany tamin’ny fokonolona izy.

Nandray fitenenana koa ny olona iray nolazaina fa solontenan’ny Lehiben’ny Faritra, ary ny Ben’ny tanànan’Ankililoaka no namarana ny fihaonana.

Tsy tanteraka ny fandrefesan-tany

Voalaza fa nitondra mpandrefy tany sy géomètre niaraka taminy ilay delegasiona. Tsy nanatanteraka ny fandrefesana nokasaina hatao anefa ireo teknisianina, rehefa nahita ny fifandirana sy ireo antontan-taratasy teny am-pelatanan’ny mpandova sy ny fikambanana.

Nirava taorian’izany ny fivoriana. Nambaran’ireo fokonolona fa nisy rakitsary sy rakipeo nalain’ireo olona nanatrika, nandritra ny fifanakalozan-kevitra teny an-toerana.

Nosamborina i Rasoanirina Joceline

Gaga anefa ireo fokonolona, ny mpikambana ao amin’ny fikambanana ary ny mpandova, rehefa voalaza fa nosamborina tao amin’ny toeram-pivarotany Ramatoa Rasoanirina Joceline, ilay nangataka ny hampisehoana ny antontan-taratasy sy ny didim-pitsarana.

Araka ny vaovao voaray, dia nentina notazonina tao amin’ny Sakelika misahana ny heloka bevava ao Sanfily, Toliara, izy.

Ny Sabotsy 25 Jolay 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, dia tonga teny an-toerana ny mpisolovavany nanatitra ny taratasy fiarovana. Voalaza fa tsy mbola natao fanadihadiana izy tamin’io fotoana io.

Rehefa nanontany ny anton’ny fisamborana sy ny fitazonana azy ny mpisolovava, dia voalaza fa nisy fiampangana azy ho naka ny tanin’ny fokonolona antsoina hoe “La Cybelle”, ho nitonona ho iraky ny minisitra ary ho nampiasa ny anaran’ny minisitra.

Misy fitantarana roa mifanohitra

Niteraka fahagagana teo amin’ny fokonolona sy ny mpisolovava izany fanazavana izany. Araka ny filazan’izy ireo, dia mifanohitra amin’ny zava-nitranga teny an-toerana ny tatitra nahatonga ny fisamborana, satria Ramatoa Rasoanirina Joceline no voalaza fa nangataka fanazavana tamin’ireo olona nilaza ho iraky ny manampahefana.

Miahiahy noho izany ireo fokonolona sy ny mpisolovava fa mety misy toe-javatra tsy mazava ao ambadik’ilay raharaha. Nambaran’izy ireo fa manana rakitsary sy rakipeo mirakitra ny fidinana ifotony sy ny fifanakalozan-kevitra natao teny amin’ny tany “La Cybelle” izy ireo.

Na izany aza, dia mbola fiampangana sy fitantaran’ny antoko iray ihany ireo voalaza ireo. Tsy mbola voaray hatreto ny fanazavana ofisialy avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany, ny Faritra Atsimo-Andrefana ary ireo olona voatonona ho nandray anjara tamin’ny fidinana ifotony.

Andrasana ny fanadihadiana sy ny fanazavana ofisialy

Ilaina ny hanazavan’ireo manampahefana mahefa ny tena satan’ny tany “La Cybelle”, ny maha-ara-dalàna ireo antontan-taratasy samihafa, ny anton’ny fidinana ifotony ary ny fototry ny fiampangana an-dRamatoa Rasoanirina Joceline.

Tokony homena fahafahana mitovy haneho ny heviny sy hampiseho ny porofo ananany ny antoko rehetra. Tokony hohajaina ihany koa ny fiheverana ny olona ho tsy manan-tsiny mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana raikitra.

Nanambara ireo fokonolona sy ny mpandova fa hanohy hitaky ny hampiharana ny fifanarahana sy ny lalàna izy ireo.

Tantara mitohy.

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post