Tafiditra anatin鈥檔y politika lehibe napetraky ny Ministeran鈥檔y Serasera sy ny Kolontsaina ny famerenana hasina ny tany sy ny fampahatsiahivana ireo fady ary fomba amam-panao nentin-drazana manerana an鈥檌 Madagasikara. Ho an鈥檔y Fitaleovam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe dia laharam-pahamehana ny fampahafantarana sy fampanajana indray ireo soatoavina ara-kolontsaina izay anisan鈥檔y mampiavaka sy miaro ny maha-izy ny faritra Menabe.
Araka ny fanazavan鈥橝ndriamatoa Joe Kamamy Modestin, talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe, dia maro amin鈥檌reo fady sy fomba nentin-drazana no manomboka voahosihosy sy tsy hajaina intsony amin鈥檌zao fotoana izao. Nambarany fa mety hiteraka olana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina eo amin鈥檔y fiarahamonina izany tsy fanajana izany.
Noho io antony io dia hisy ny fakan-kevitra lehibe mahakasika ireo fady misy eto amin鈥檔y faritra Menabe. Efa natomboka tany Ankimony ny dinika sy fifampidinihana niarahana tamin鈥檌reo ray aman-dreny ara-drazana sy tompon鈥檃ndraikitra isan-tsokajiny, ary mbola hitohy manerana ny faritra Menabe izany. Anisan鈥檌reo voakasiky ny fakan-kevitra ny any Belo sur Tsiribihina, izay ahitana tranga mampiady hevitra momba ny fanajana ny fady eny amin鈥檔y reniranon鈥檌 Tsiribihina.
Fantatra mantsy fa araka ny fomba sy finoana nentin-drazana ao an-toerana dia isan鈥檔y fady eny amin鈥檌o renirano io ny kisoa. Voarara, araka izany, ny fampitana na fampandroana kisoa amin鈥檔y ranon鈥檌 Tsiribihina. Na izany aza anefa dia hita amin鈥檌zao fotoana izao fa misy ny tsy fanajana izany fomba izany, ka lasa ampiasaina hitondrana sy hanasana kisoa mihitsy ny renirano.
Nohamafisin鈥檔y Fitaleovam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe fa hisy aloha ny fifampidinihana sy ny fakan-kevitra miaraka amin鈥檌reo raiamandreny ara-drazana sy tompon鈥檃ndraikitra eny ifotony, ary aorian鈥檌zay vao handraisana ireo fepetra mifanaraka amin鈥檔y zava-misy sy ny fanajana ny hasin鈥檔y tany.
Tsiahivina fa ny fady sy ny fomba amam-panao dia anisan鈥檔y vakoka ara-kolontsaina Malagasy, ka ny fiarovana sy fampitana izany amin鈥檔y taranaka faramandimby dia adidy iombonana. Ho an鈥檌 Menabe manokana, dia heverina ho antoky ny firaisankina sy ny fitandroana ny maha-izy azy ny fanajana ireo soatoavina nentin-drazana.




