๐— ๐—˜๐—ก๐—”๐—•๐—˜: ๐—ก๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป-๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—›๐—ฒฬ๐—บ๐—ผ๐—ฝ๐—ต๐—ถ๐—น๐—ถ๐—ฒ ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฒ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—น๐—ผ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐—ถ๐—บ-๐—ฝ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ

145 0

Nankalazaina taminโ€™ny fomba ofisialy tao aminโ€™ny kaominina ambanivohitra Analaiva ny andro maneran-tany ho anโ€™ny fijininihan-drร  lava (hรฉmophilie), taminโ€™ny alalanโ€™ny hetsika fanentanana sy fanomezana tolotra maimaim-poana notanterahinโ€™ny ekipan’ny Fitaleovam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe, niaraka taminโ€™ny EMAR sy EMADย  Morondavaย  ary ny ekipan’ny CHRR Namahora

Natao tao aminโ€™ny biraonโ€™ny kaominina sy tao aminโ€™ny CSB II Analaiva ireo hetsika, ka nahitana fanazavana aminโ€™ny antsipiriany momba ny aretina hรฉmophilie, ny fomba isehoany ary ny fitsaboana azo atao. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny fanentanana mikasika ny valanaretina MPOX, ny maha-zava-dehibe ny vaksiny fiarovana, ary ny fanentanana ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo.

Nosafidiana manokana ny kaominina Analaiva noho izy efa nahitana tranga hรฉmophilie taloha. Nifanojo taminโ€™ny andro tsena zoma ihany koa ny hetsika, ka nahafahanโ€™ny olona avy aminโ€™ny fokontany lavitra sy ireo kaominina manodidina nanatrika betsaka, na teo anivonโ€™ny kaominina na tao aminโ€™ny tobim-pahasalamana satria ny andro tsena dia manararaotra mamonjy toeram-pitsaboina ny olona.

Ny lohahevitra nanamarika ity fankalazana ity taminโ€™ity taona ity dia ny hoe: โ€œNy fitiliana no fiandohanโ€™ny fitsaboana.โ€
Nitarika ny hetsika ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Menabe, Dr Jean Tsarahamba, izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanentanana aminโ€™ny fampahafantarana ny mponina momba ireo aretina sy ny fitsaboana tokony arahina.

Araka ny nambarany, tanjona lehibe ny hanakaiky hatrany ny vahoaka aminโ€™ny tolotra ara-pahasalamana, ary ny hahatratrarana ny vina hoe โ€œfahasalamana ho anโ€™ny rehetra.โ€

Ity hetsika ity dia anisanโ€™ny ezaka ataonโ€™ny tomponโ€™andraikitra ara-pahasalamana aminโ€™ny fanamafisana ny fisorohana sy fitsaboana mialoha, indrindra ny tontolo ambanivohitra.

โœ๏ธRA PA

Related Post

๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐๐ƒ๐€๐•๐€ : ๐๐€๐Œ๐๐€๐…๐€๐๐“๐€๐‘๐ˆ๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐€๐๐˜ ๐๐˜ ๐•๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐‡๐€๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€ ๐ˆ๐™๐€๐˜ ๐๐€๐“๐€๐Ž๐’๐๐˜ ๐‚๐‘๐Ž๐ˆ๐— ๐‘๐Ž๐”๐†๐„ ๐‡๐ˆ๐€๐“๐‘๐„๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐‘๐ˆ๐•๐Ž-๐ƒ๐Ž๐™๐€

Posted by - fรฉvrier 14, 2025 0
๐‘ต๐™–๐’•๐™ค๐’๐™ค๐’•๐™ง๐’‚ ๐’‚๐™ฃ๐’…๐™ง๐’๐™–๐’๐™ฎ ๐™ฉ๐’‚๐™ค ๐™–๐’Ž๐™ž๐’’๐’๐™ฎ ๐™๐’๐™ฉ๐’†๐™ก๐’š ๐‘ฝ๐™€๐’๐™Š ๐˜ฝ๐‘ฌ๐˜ผ๐‘ช๐™ƒ ๐’๐™ฎ ๐™ซ๐’๐™ ๐’‚๐™ฉ๐’“๐™ฎ ๐™ฃ๐’š ๐’‡๐™–๐’๐™–๐’…๐™ž๐’‚๐™๐’‚๐™™๐’Š๐™–๐’๐™– ๐™ž๐’›๐™–๐’š ๐’๐™–๐’•๐™–๐’๐™ฃ’๐™ฃ๐’š ๐‘ช๐™ง๐’๐™ž๐’™ ๐’“๐™ค๐’–๐™œ๐’† ๐‘ด๐™–๐’๐™–๐’ˆ๐™–๐’”๐™ฎ ๐™ข๐’Š๐™ ๐’‚๐™จ๐’Š๐™ ๐’‚ ๐’๐™ฎ ๐™›๐’Š๐™–๐’•๐™ง๐’†๐™๐’‚๐™ฃ๐’‚ ๐’๐™ฎ…