VOHEMAR : MANAMELOKA NY HERISETRA NY CONFÉDÉRATION SENDIKALIN’NY POLISY NASIONALY

128 0

Taorian’ny tranga nahery vaika niseho tao Vohemar ny talata 14 aprily 2025, dia nanao fanambarana ofisialy ny Confederasiona Sendikaly ny Polisy Nasionaly androany atoandro. Naneho ny alahelony sy ny firaisankinany amin’ireo fianakaviana tra-doza izy ireo, indrindra ireo niharan’ny herisetra vokatry ny fihetsika nataon’ireo nahavanon-doza.

Ao anatin’izany fanambarana izany dia nanameloka mafy ny herisetra natao tamin’ireo Polisy teo am-panatanterahana ny asany ity Confederasiona Sendikaly ny Polisy Nasionaly ity ohamafisin’izy ireo fa tsy azo ekena velively ny fanohintohinana ireo mpitandro filaminana izay miasa araka ny lalàna sy ny andraikitra apetraka aminy. Notsikeraina mafy ihany koa ny fandoroana ny biraon’ny Polisy tao an-toerana, izay nofaritan’izy ireo ho fandravana mivantana ny rafitra iankinan’ny filaminam-bahoaka.

Nanentana ireo mpiaro ny zon’olombelona ny Confederasiona mba handinika akaiky ity toe-draharaha ity, sady nanamafy fa tsy tokony haverina intsony ny tranga tahaka izao. Nambarany fa tsy ekeny ny fisian’ny fanelingelenana na tsindry mandritra ny fanadihadiana, indrindra raha mety hanohintohina ny fahaleovantenan’ireo tompon’andraikitra amin’izany.

Farany, niantso ny fitsarana izy ireo handray andraikitra hentitra sy mifanaraka amin’ny lalàna, mba hahazoana antoka fa ho voasazy araka ny tokony ho izy ireo tompon’antoka, ary hiverina amin’ny laoniny ny filaminana.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘

Posted by - avril 14, 2024 0
💢 𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐎𝐋𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐌𝐄𝐋𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐈 𝐃𝐈𝐎𝐒𝐄𝐙𝐘 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐓𝐑𝐎𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀…