๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ โ€“ ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ธ๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐˜๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ฐ๐—ฒ๐—ฏ๐—ผ๐—ผ๐—ธ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป-๐—ธ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ผ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—บ-๐—ฝ๐—ผ๐—ป๐—ท๐—ฎ

74 0


Niteraka resabe sy ahiahy teo anivonโ€™ny olom-pirenena teto Morondava ny fahitana fa mbola manao publication hatrany ny kaonty Facebook anโ€™ilay mpanankanto iray ampidirina am-ponja vonjimaika, raha toa ka fantatra fa voarara tanteraka ny fampiasana finday sy fitaovana fifandraisana ao anivonโ€™ny Fonja.
Manoloana izany toe-javatra izany dia nandalo teny aminโ€™ny Fonja Morondava ireo mpitory mba hitady fanazavana ofisialy sy hanamarina ny zava-misy.

Araka ny fanazavana nomenโ€™ny tomponโ€™andraikitry ny Fonja Morondava, dia efa natao ny fanamarinana ka fantatra fa olona akaiky azy ivelanโ€™ny Fonja no nampiasa ilay kaonty Facebook-ny, ary efa nandraisana fepetra mifanaraka aminโ€™izany. Nohamafisinโ€™izy ireo ihany koa fa entitra ny fanarahamaso sy ny fitsirihana ao anivonโ€™ny Fonja, ary tsy ekena mihitsy ny fampiasana fitaovana fifandraisana ao anatiny.
Nambaranโ€™ny tomponโ€™andraikitra fa raha misy fihetsika manitsakitsaka ny fitsipika mifehy ny Fonja, na avy aminโ€™ny voafonja na avy aminโ€™ny olona any ivelany, dia andraisana fepetra araky ny lalร na mifehy ny Fonja izany.
โœ๏ธ RA PA

Related Post

๐๐‘๐„๐…๐„๐Š๐“๐ˆ๐Ž๐‘๐€๐’๐ˆ ๐“๐Ž๐‹๐ˆ๐€๐‘๐€

Posted by - avril 17, 2024 0
๐‘ญ๐‘จ๐‘ด๐‘ฌ๐‘ป๐‘น๐‘จ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ณ๐‘ฌ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ด๐‘ฐ๐‘จ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ฏ๐‘จ, ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘ป๐‘น๐‘จ ๐‘จ๐‘น๐’€ ๐‘จ๐‘ถ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ซ๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐‘ป๐‘ฌ๐‘น๐‘จ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐’€ ๐‘ท๐‘ถ๐‘ณ๐‘ฐ๐‘ป๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘จ๐‘ต๐‘ฒ๐‘จ๐‘ท๐‘ถ๐‘ฉ๐‘ฌ๐‘ต๐’€ ๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘ฑ๐‘จ๐‘ฒ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฐ๐’๐‘จ๐’€ ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘จ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐‘ฝ๐‘ฌ๐‘ณ๐‘ฐ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ด-๐‘ท๐‘ฐ๐‘น๐‘ฌ๐‘ต๐‘ฌ๐‘ต๐‘จ ๐‘ญ๐‘จ๐‘ด๐‘ฌ๐‘น๐‘ฌ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฐ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐’€…