Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 274+500, tao amin’ny fokontany Tsararano, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i MaevatanΓ na ny Alahady faha 25 May taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro.
Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa fiara taksiborosy rezionaly avy namonjy tsena tao Antanimbary hihazo an’Andriba no nifandona tampoka tao anaty fiolanana, tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ( plaque rouge) avy any atsimo. Vokany: olona iray no maty tsy tra-drano, raha mpandeha 11 naratra, ka noentina notsaboana nalaky ao amin’ny CSB2 Antanimbary avy hatrany.
Ny fanamarinam-baovao kosa no nilaza fa tena hadisoan’ilay fiara taksiborosy rezionaly nahatonga ny lozam-pifamoivoizana teto, satria nandeha mafy sy somary nangalatra ny lalana hizoran’ny fiara tsy mataho-dalana ity farany. Taorian’ny ny zava-nitranga dia efa nanao fizahana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahefatra.
Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa mbola tsy nahazoana vaovao kosa makasika an’ilay fiara tsy mataho-dalana na amin’ny sehatr’asa mpanjakana inona no misy azy.
FARITRA BOENY DISTRICT AMBATO-BOENY Tafapetraka ao Ambatoboeny ny milina fanodinana voamaina ho lasa lafarina, ka anisanβizany ny Lojy izay mampalaza…
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinanβny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…
Fametrahana fehezam-boninkazo teo aminβny tsangam-bato manoloana ny garanβAntsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifonβny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…