๐‡ร”๐๐ˆ๐“๐€๐‹๐˜ ๐๐„ ๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐๐Ž๐„๐๐˜ | ๐ˆ๐“๐‘๐€๐๐†๐€๐๐€ ๐“๐’๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐•๐ˆ๐™๐€๐-๐Š๐„๐•๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐€๐‡๐„๐‘๐˜ ๐•๐€๐ˆ๐Š๐€

328 0
Faritra Boeny โ€“ Distrikanโ€™Ambato-Boeny โ€“ Kaominina Ambatoboeny
Efa hatraminโ€™ny taona 2013 no nisy ny tsy fifanarahana sy tsy fitovian-kevitra teo aminโ€™i Ramatoa Dokotera Lusta, lehibenโ€™ny Hรดpitaly Be ao Ambatoboeny, sy ireo mpitsabo mpanampy ary dokoteranโ€™ny toeram-pitsaboana sasany miara-miasa aminy.
Araka ny fanazavanโ€™ireo mpitsabo, ny antony fototra nahatonga ny tsy fifanarahana dia ny fomba fitantanana sy ny fandehanan-draharaha tsy mifanaraka aminโ€™ny fenitra tokony hanjakanโ€™ny hopitaly lehibe. Nilaza izy ireo fa efa nisy hatrany ny fitarainana sy tsy fahafaliana mikasika ny fomba fitondranโ€™ny Lehibenโ€™ny hopitaly ny raharaha anatiny.
Nohamafisinโ€™i Dokotera Christophe, solontenanโ€™ny mpiasa ao aminโ€™ny CHRD Ambatoboeny, fa misy faneriterena sy ramatahora ataonโ€™ny Lehibenโ€™ny Hรดpitaly aminโ€™ireo mpiasanโ€™ny fahasalamana tsy mbola mpiasam-panjakana ka mampiteraka tahotra sy fihenjanana aminโ€™ny asa andavanandro.
Nambaranโ€™ireo mpitsabo ao aminโ€™ny hopitaly fa mitohy ny fitokonana ataonโ€™izy ireo nandritra ny telo andro misesy, ho fanehoan-kevitra aminโ€™ny olana tsy voavaha hatraminโ€™izao. Nilaza izy ireo fa hitohy ny hetsika mandra-pahitana ny fandraisanโ€™andraikitra avy aminโ€™ny manampahefana ambony.
Ireo mpitsabo dia mitaky ny fanesorana anโ€™i Dr. Lusta aminโ€™ny toerany aminโ€™izao fotoana izao, ho fepetra hahafahana mamerina ny filaminana sy ny fifampitokisana ao aminโ€™ny Hรดpitaly Be Ambatoboeny.
๐Ÿ“ FDM | Ambatoboeny
โœ๏ธ : Zandrikely Konka

Related Post