FAMARANANA NY AMBOARAN’NY JENERALY SEG SY COMGN : TRATRA NY TANJONA

239 0
FAMARANANA NY AMBOARAN’NY JENERALY SEG SY COMGN : TRATRA NY TANJONA
Tao anatin’ny lanonam -pianakavy tanteraka no nanatanterahana ny lalao famaranana rehetra tamin’ireo taranja samihafa teto anivon’ny Zandarimariam-pirenena. horakoraka, dihy, hafaliana tanteraka no hita taratra nandritra izany.Niara nientana tao anatin’izany avokoa ireo mpandray anjara rehetra na ny teny ambony kianja na ireo mpanohana ny ekipany.Ny FIVAZA na ny fikambanan’ny vady Zandary tonga nanohana mavitrika ny zandary sy ny vadiny. Fiaraisankiana sy firalahiana eo amin’ny samy zandary no tazana teny amin’ny tarehin’ireo mpanohana sy mpijery ary ireo ekipa mpandray anjara rehetra nandritra izay herinandro nihaonana teto amin’ny Toby RATSIMANDRAVA izay.
Toy izao ary ny voka-dalao nandritra ny fifaninanana ka nahatompondaka azy ireo :
🏀 Basket-ball
+ 35ans :
Ny hery vonjy taitra ny Zandarimariam-pirenena na ( FIGN) tompondaka nandresy ny Foibe Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena na (COM ).
– 35 ans :
Ny sekoly ambony ny Zandarimariam- pirenena ( ESGN) tompondaka rehefa nandresy ny Foibe Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena (COM ).
Vehivavy :
Ny sekolin’ny Zandarimaria nasionaly ao Ambositra (EGNA ) tompondaka rehefa nandresy an’i Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Zandarimaria (SEG )
🏐 Volley-ball
+ 35 ans na ny – 35 ans norombahan’ny (COM )avokoa rehetra nandavo ny (ESGN )
⚽️ Foot-ball
Tompondaka ny Faripiadidian’ny Zandarimaria ao Mahajanga (CIRGN MAHAJANGA) rehefa nandresy ny (COM )
🏓 Tennis de table
Manamboninahitra (OFFICIER):
Nandresy an’i jeneraly RANDRIANJARA Flobert ny kapiteny TODIAVO.
Manamboninahitra lefitra (SOUS OFFICIER ):
GPHC Franck nandresy ny GPCE Herman.
🎱 Tsipy kanetibe (Pétanque) :
Tompondaka ny CFS rehefa nandavo ny CIRGN Toamasina
🏃🏾 Hazakazaka
Vehivavy :
🥇🥈🥉Norombahan’ny (EGNA)avokoa ireo medaly sy ny amboara ho any laharana 03 voalohany
FIVAZA :
🥇Lasan’ny maman Nanah HERINIAINA RAKOTOMALALA ny medaly ho an’ny laharana voalohany.
Lehilahy :
Ny sokajy 56 ans – 60 ans :
🥇kolonely ROCOPLAN nahazo ny amboara sy ny medaly ho an’ny laharana voalohany.
🥉Jeneraly Serge GELLE no nahazo ny laharana faha 03
👉Fikojakojana ny vatana izay ataon’ny Zandary ho antoky ny fitandroana ny filaminana sy ny Fandriam-pahalemana hoy ny Jeneraly Serge GELLE, Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony tamin’ny famaranana ny fiadiana ny amboara SEG sy COMGN.
👉Tratra ny tanjona hoy kosa ny jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, komandin’ny Zandarimaria tamin’izao fifaninana aram-panatanjahantena 2023 eto anivon’ny Zandarimaria izao :
– Fikojakojana ny vatana
– Fanandratana avo ny Zandarimaria amin’ny alalan’ny fanatanjahantena fa indrindra ny voninahim-pirenena
– Firaisankiana sy ny fifankatiavana ary ny fifanohanana eo amin’ny samy zandary.
Indro ary ny famitinana an-tsary ireo lalao famaranana sy ny ambiance nandritra ny fifaninana teo amin’ny taranja rehetra.
*Namanao Ny Zandarimaria*
*Zandarimaria manandratra avo ny fanatanjahantena*

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…