Ao anatin’ny fanjakana Antankarana faha mpanjaka dia ahitana toerana manan-tantara izay mbola tsy voazaha ny olona tsy tompontany ny fisiany. Any amin’ny vohitra ANKARANA no ahitana an’izy ireny ary misy fadiny ara tantara ny toerana misy azy.
Ny taona 1837 dia voahodidin’ny tafika izay nirahin’ny mpanjaka RANAVALONA I ny toerana nisy ny mpanjaka Antankarana TSIMIHARO I. Niafina mba tsy ho azo sambo-belona tao anaty lavabato tao amin’ny vohitra ANKARANA ny mpanjaka sy ireo vahoaka nanaraka azy. Nisy tamin’ny olona izay nanaradia azy anefa namadika ka nitolobatana tamin’ny komandy ny miaramila Merina tamin’izany fotoana izany ka nivonona hanoro ny lavabato niafenan’ny mpanjaka.
Ny fahafantarany izany famadihana ny tenany izany ary noho ny tsy fahafahan-drizareo mivoaka tao anaty lavabato satria voahodidina no nahatonga ny mpanjaka TSIMIHARO nangataka sy nivoady tamin’ny ZANAHARY(eto dia ny Andriamanitry ny fivavahana silamo izay efa narahiny) fa raha ampiany ry zareo ho afaka tsy maty fo aman’aina ka tafavoaka soamatsara miala ao anatin’ny lavabato misy an-drizareo dia ataony izay fomba handreseny lahatra ny vahoakany hivadika finoana ka handray ny finoana SILAMO. Raha arakin’ny lovantsofina dia tao aorianan’izany vavaka fangatahina nataony izany no nisy tandindona na volana nanaloka ny masoandro(éclipse) ka narararaotra izany fisehoan-dravatra voajanahary izany ry zareo ka afaka nandositra. Na dia nisy izany aza dia maro tamin-drizareo izay nandositra ireo no azo sambobelon’ny tafika ka maty voatifitra daholo no niafarany ho saziny.
Ny mpanjaka TSIMIHARO indray dia afaka nandositra soamatsara satria afaka namonjy ny NOSY MITSIO. Maro koa ireo vahoakany nanaraka azy niezaka niampita ny ranomasina ka maro no tsy tafita satria maty an-drano. Raha arakin’ny filazana’ireo mpikaroka ara tantara dia nanomboka tamin’io daty fandosiran’ny mpanjaka sy ny nahafatesan’ny vahoakany maro teny an-dranomasina io no nanomboka ny tena tantara ary ny vakoka na ny fomba aman-panao mifatotra amin’ny foko ANTANKARANA any amin’iny faritra farany avaratrin’ny nosy iny. « L’identité contemporaine des Antankarana repose sur l’acceptation de ce récit historique en tant qu’événement ou mythe fondateur de leur histoire et de leurs luttes communes ».
Amin’ny kabary miverimberina ao an-toerana dia toerana iray ihany no tondroina fa nandosiran’ny mpanjaka sy ny vahoakany rehefa hamonjy ny Nosy MITSIO dia ny toerana ao AMBAVAN’ANKARANA. Misy indray lovantsofina hafa manondro toerana 2 hafa izay nandosiran-drizareo :
AMPAGAHIA
ANALALAVA
Arakin’ny ambaran’ireo raiamandreny any an-toerana dia ireo toerana voatondro ireo, indrindra ny ao AMBAVAN’ANKARANA, dia tondroina marina fa isany ilay toerana izay niafenan’ny razamben-drizareo tao anaty lavabato teo anelanelan’ny taona 1825 sy 1840. Afaka nandositra ry zareo avy eo satria notahin’ny razan-drizareo.
Noho izany fiarovan’ny razana izany, ny fahafahana nandositra ary farany niafara ny sasany amin’ireo vahoaka izay maty teny an-dranomasina no hanazavana ny maha manana ny hasiny sy ny fadiny ny toerana ao AMBAVAN’ANKARANA tamin’izany ary ankehitriny.
Amin’ny fomba aman-panao ao an-toerana ny RANOMASINA dia entina ampiasaina ho fidiovana hoan’ny besinimaro ary indrindra ho an’ireo SAHA izay hipetrahan’ireo razambe ampanjaka. Isan-taona ny datin’ny volana aogositra no misy izany fomba aman-panao fidiovana izany ka FISEHANA no fiantsoan-drizareo azy. Amin’ny alalan’ny fanarahana izany fomba fidiovana izany no miteny amin’ireo SAHA ireo razana ampanjaka ka manadio ny vahoaka sady manolotsaina ary miaro azy. Manamafy koa ireo razan’ampanjaka amin’izany fomba FISEHANA izany ny amin’ny fanajana ireo fadin-drazany. Misy vato orimbato nantsangan’ny vahoaka eny amoron-dranomasina ka rehefa midina ny ranomasina no ahitana azy. Eo amin’io vato orimbato fahatsiarovana ireo mpanjaka na zanak’andriana maty an-drano no anaovan’ny foko ANTANKARANA ny fomba aman-panao FISEHANA.
Ny TSANGAN-TSAINA eo amin-drizareo dia hankalazaina isakin’ny 5 taona ary nentin-drizareo hamerenana ny hasin’ny fanjakana andriamanjaka amin’ny fananganan-tsaina ka hanamafisana ny fahefan’ny mpanjaka eo anivon’ny velona.
N.B :
Tiré de Hélène Giguière, des morts ets des vivants, éditions l’Harmattan, Paris, 2006
RANGERS TSIHALIGNO