MANOHY NY FAMPANDROSOANA I JEROME – HATOLOTRY NY FIKAMBANANA AVOTRA SABOTSY NAMEHANA

295 0
COMMUNE SABOTSY NAMEHNA | MANOHY NY FAMPANDROSOANA I JEROME – HATOLOTRY NY FIKAMBANANA AVOTRA SABOTSY NAMEHANA
Tsy nitsaha-nandroso ny Kaominina Sabotsy Namehana nandritra ny 17 taona, izany no niseho dia nohon’ny fampandrosoana noentin’i Avotraina Andriamosa izay Ben’ny tanana tao amin’nity Kaominina ity, fa ankehitriny dia efa lasa Solombavam-bahoakan’i Madagasikara, voafidy tao amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano – Officiel ny tenany.
Foto-drafitr’asa maro no voatsangana tao anatin’izay 17 taona nitondran’ny Fikambanana ASN na ny Avotantsika Sabotsy Namehana izay, toy ny Sekoly, Tsena, Biraom-pokontany maro dia maro, Fampidirana rano fisotro madio, fanomezana fahazavana maimaim-poana hoan’ny tanana, fijerena manokana ny tanora sy ny fanatan-jahan-tena, sy ny maro tsy voatan’isa.
Ankatok’izao fifidianana Ben’ny Tanana izao, dia manolotra olona hifaninana hitondra ny Tanana indray ny Avotantsika Sabotsy Namehana, izay fanilo miampita ka hanohy ny ezaka efa nataon’i Avotraina Andriamosa, dia tsy iza izany fa Andriamatoa Jerôme RAKOTOMALALA, izay efa Filohan’ny Mpanolon-tsain’ny tanana nandritran’ny 17 taona ihany koa.
Tsy diso safidy i Avotra hoy ny vahoakan’ny Sabotsy Namehana raha nanolotra an’i Prezida JEROME satria efa tena mahalala ny atin’ny Sabotsy Namehana manontolo izany lehilahy izany, ary mahafantatra tsara ny tetik’ady rehetra entina hampandrosoana ny Kaominina, kanefa eo ihany koa ny tan-tsoroka entin’ity Solombavambahoaka Ray mpanorina ny ASN ity. Noho izany dia tsy hitsanga-menatra velively ny Kaominina raha tahiny ka i Jerôme no hovoafidy ho Ben’ny tanana.
Ankoatr’izay, dia maro ny Fikambanana manohana ny ASN amin’izao fifaninana Masina hatao izany, ary samy manentana, ka miray feo milaza hoe:
FIDIO JEROME | LAHARANA FAHA 6 AO AMIN’NY BILETA TOKANA
Ho fanohizana ny ezaka nataon’i Avotraina Andriamosa.
Aza hadino, tsy ho avotro izaho samy irery i SabNam, fa ho avotro izaho sy ianao.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

Fiarovam-pirenena — Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
𝐅𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 — 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filàn’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…