SEKOLY AMBONY KATOLIKA ASJA MORAMANGA

549 0

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy n’y Alatsinainy faran’ny volana septambra teo ny « université catholique ASJA Moramanga », sekoly Ambony eo ambanin’ny fiahian’i DON BOSCO.

Lanonana notarihan’i Evekan’ny Diosezin’i Moramanga Son Excellence Monseigneur ROSARIO Saro Vella, notron’ny fianakaviambe ny sekoly, ny Mpitantana, Mpanabe ary ireo tanora mpianatra vaovao hisantatra ny sekoly hoan’ny taona voalohany (L1) Droit, Économie et Commerce no lalam- pihofanana hoan’ny taona akademika 2024-2025.Ao amin’i Saint Joseph no ivon- toeram-pampianarana.

Niainga tamin’ny teny Faneva  » Fiainana sy Fanantenana » no namelabelaran’ i Eveka ireo hafatra maro mifono hanatra an’ireo Tanora sy ny Mpuandraikitra rehetra, mialohan’ny nanomezany tso- drano azy ireo.
Tonga nanome voninahitra sy nifanotrona tamin’ny Fianakaviambe ny Sekoly ny Solombavambahoaka Lova Herizo RAJAOBELINA. Nandritra ny fandraisam- pitenenany no nilazany fa tombony lehibe hoan’ny Faritra sy ny Firenena ny fijoroan’ny Oniversite ASJA. Indrindra hoan’ireo Ray aman- dReny tsy mba manana fahafahana noho ny fahasahiranana amin’ny handefasana ireo zanany handrato fianarana an- tany lavitra.

Ny toeram-pampianarana KATOLIKA manerana ny Nosy dia manana ny lanjany sy matihanina eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana.
Mirary soa hoan’ireo Tanora mpianatra hisantatra ny sekoly, ho tafita soa.

Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…