Nanokatra varavarana azon’ny daholobe tsidihina ny Ministeran’ny Fitsarana

29 0
Ho fampahafantarana hatrany ny asa sahin’ny Ministeran’ny Fitsarana, dia nanatanteraka varavarana misokatra, azon’ny daholobe notsidihina tetsy amin’ny Lapan’ny tananan’Antananarivo , etsy Analakely ity Ministera ity androany 18 Jolay 2024 tontolo andro.
Tranoheva maromaro mampahafantatra tanteraka izany MINISTERAN’NY FITSARANA sy ny SA SAHANINY no nampiratiana tamin’izany, ankoatry ny adi-hevitra anaty hevitrano, izay notanterahina tao amin’ny efitrano fivorian’ny Mpanolontsain’ny Tananan’Antananarivo, notarihin’i Ramatoa Minisitra RANDRIAMANANTENASOA.
Araka ny angom-baovao hatrany dia fantatra fa tanjona dia ny Fitsarana Manakaiky Vahoaka hatrany mba hazava aminy avokoa ny mombamomba ny Fitsarana sy ny fonja rehetra.
Ary voalaza ihany koa fa ity varavarana Misokatra ity nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana dia notohanan’ny Tetik’asa PAJMA (Projet d’Appui à la Justice Malagasy) izay vatsin’ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Ny Tetik’asa PAJMA izay naharitra 6 taona dia hifarana ny taona 2025, ary eo an-dalam-pandinihana ny tohiny ny Ministera sy ny AFD dia ny PAJMA 2.
Nahaliana ny vahoaka tonga nanatrika ity varavarana misokatra ity, ary irariana ny hisian’izao isam-paritra hoy i Rajean de la Croix Mponina Antananarivo Avaradrano sendra nanontaniana’ny Mpanao Gazetinay, mùba hahalalana ny tokony hatao, ny lalana tokony haleha, indrindra ialana amin’ireo Mpijirka eny amin’ny Tribonaly, ary satria aza hoy ihany izy nanohy ny teniny mba ho amin’ny Teny Malagasy madio rano ny taratasy isan-karany ifanakalozana amin’y paik’ady rehetra hatao.
Fa sady ady hatao amin’ny kolikoly izao indrindra izao, hoy kosa Ramatoa Minisitra nanditran’ny lahateny fohy nataony entina hanatanterahana ny Andry voalohany dia ny Fanandratana maha olona sy ny Andry fahatelo dia ny Fanjakana tsara tantana izay napetraky ny Filoham-pirenena entina hampandroso ny firenena arakan’ny vina efa napetraky ny fitondrana.
Teo am-paamaranana ny lahateny nataony, dia mbola nohatitrateriny hatrany fa mbola hitohy hatrany ity hetsika fitsarana manakaiky vahoaka ity.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

Nahazo Solosaina ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀 𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka…

Fankalazana ny Iray volan’ny Ankizy : Zo fototra ny fanana Kopia

Posted by - juin 10, 2024 0
𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗥𝗔𝗬 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗜𝗭𝗬: 𝗭𝗢 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗞𝗢𝗣𝗜𝗔. Ho fanokafan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy…