TOAMASINA | NASONDROTRA HO COMMISSAIRE PRINCIPAL DE POLICE NY TALEM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOANA.

423 0

Ny Zoma faha 19 Jolay, 2024 no nasondrotra ho amin’ny laharam-boninahitra Commissaire Principal de Police , Andriamatoa RAKOTOVAO Jean Christian, izay Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto amin’ny faritra Atsinanana. Lanonana izay natao tao Antananarivo

Raha arak any fanamarihan’ireo niara-niasa taminy akaiky dia nohon’ny ezaka vitany indrindra tamin’ny lafiny fametrahana ny fandriama-pahalemana sy ireo traikefa nananany no anton’izao fisodrotam-boninahitra izao.

Raha tsiahivina dia efa niasa tany Ambositra izy, avy eo nalefa nitantana  aty Toamasina ka tao amin’ny Commissariat Tanambao II no niantombohany , mbola izy ihany koa no nitantana ny Commissariat Central de Toamasina, ary izao izy lasa Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka izao.

👉Eto izahay dia miarahaba azy manokana amin’izao fahazoana GALONA izao satria mendrika ho azy izany.

Misondrota amin’ny avo indrindra Andriamatoa TALE

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐚̀𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐢𝐬 (𝑵𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒕𝒓𝒆𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚…