Taorianโny nandalovanโilay rivodoza mahery vaika Gezani dia nanatanteraka hetsika fanohanana ho anโireo ankizy mpianatra tra-boina any Toamasina ny fikambanana Lร lan’i Madagasikara.
Nitarika izany ny Mpandrindra Nasionaly, Atoa Fenofitondrana Rakotozanakajy, izay niaraka taminโny ekipany nizara fitaovam-pianarana ilaina andavanandro, toy ny cahier sy stylos (mainty, mena ary manga), ary koa โkits solairesโ ahafahanโireo ankizy mamahana finday aminโny toerana mbola tsy ahitana herinaratra.
Fokontany maro no notsidihinโny ekipa, ka ny Filohanโny Fokontany tsirairay avy no nanome ny lisitry ny tokantrano sy ankizy tena sahirana sy tra-boina. Araka ny tatitra voaray, ankizy maherinโny 3 000 no efa nisitraka mivantana ireo fanampiana ireo.
Ankoatra ny fanomezana ara-pitaovana dia mbola mitohy ny hetsika ara-tsosialy, izay hatao isaky ny asabotsy, ahitana asa fanadiovana, fikarakarana fahadiovanโny vatana (fanalana hoho, fampandroana, fanasana lamba), ary fiaraha-misakafo aminโireo ankizy sy fianakaviana tra-boina.
Tsy voafetra aminโizany ihany anefa ny vinanโny tetikasa. Efa eo am-panaovana fandinihana ihany koa ny fametrahana โcontainersโ azo avadika ho trano fonenana mahazaka rivo-doza, izay kasaina hanampiana fianakaviana maro very trano vokatry ny loza.
Ity hetsika ity dia tanterahina ao anatinโny fiaraha-miasa aminโny Fondation Terra Futura, fikambanana iraisam-pirenena manana foibe any Suisse, ary tafiditra ao anatinโny fandaharanasanโny Office National pour la mise en place et le suivi des Projets ร Impact Rapide multisectoriels izay tarihinโi Atoa Rija Rakotozanakajy.
Araka ny nambaranโireo tomponโandraikitra, ny fanohanana ny fanabeazana sy ny fahalalanโny ankizy no antoka lehibe hiarovana ny hoavinโny firenena. Ankizy manana fahalalana sy fahatsiarovan-tena no afaka misafidy ny lalana marina, ka tsy ho mora voafitaky ny fanamby sy ny fanararaotana mety hatrehiny rahatrizay.
Mitondra hafatra mazava ny hetsika : tsy irery i Toamasina. Ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana no lakilenโny fanarenana maharitra.
Loharano : Lalanimadagasikara.com
โ๏ธ RA PA


















