Ny volana Mai taona 2022 efa nitrahatra ny asa fanamboarana ity tranobenβny serasera sy kolontsaina ity satria dia efa vakivaky daholo ireo rindrina taminβizany toa izao hita aminβny sary izao ary rehefa nivoaka ny vaovao mikasika izany dia namoaka faampitambaovao ny minisiteranβny serasera ny faha 18 JIONA 2022 fa tsy hanaiky ny asa tsy mifanaraka aminβny bokinβANDRAIKITRA dia nangiana ny raharaha hatreo fa ny faha 26 novembre 2022 dia nirondana ilay tranobe ka nilaza ny fampitam-baovaonβny ministeranβny serasera taminβizany fa nisy rivotra sy orana be no nahatonga ny firodanana nefa ny mponina kosa dia nilaza fa tsy marina izany fa nirodana ho azy io fa tsara ny andro taminβio andro io
Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha fa ny talemparitry ny serasera sy kolon-tsaina tato Menabe taminβizany no nalana taminβny toerany very maina aloha zany ny volabe satria mitentina mitentina 999.896.732,95 ariary izany hoe iray miliara ariary zany ny tetibidinβny asa
Ny 13 Aout 2023 dia tonga taty Morondava ny minisitry ny serasera taminβizany izay nametraka ny vato fototra fa nafindra tao aminβny fokotany Bemokijy ity fotodrafitrβasa ity ary ny orinβasa nanao azy teo aloha no hiantoka ny lany ; tafapetraka tokoa ny vato fototra saingy tsy nisy asa nitohy hatraminβizao ary ny fefy izay mamefy ny toerana izay nanaovana ny vatofototra aza efa nirodana ho azy koa ary ilay vato fototra efa tototry ny bozaka
Aminβizao fotoana izao dia lasa toerana fanaovana maloto sy fidiovanβireo mpiasanβny YAS izay mitoby eo anβilanity tranobe ity sisa ilay foto-drafitrβasa nandaniana vola be ilay hoe atao solony moa dia tsy nitohy koa ny asa ka manaitra ny minisitra ankehitriny mba hijerena azy ity .
Hatreto moa mbola tsy manana talem-paritra ny serasera sy ny kolon-tsaiana na dia efa nisy aza ny fiantsoana ho anβizay ho talem-paritra ary maro ireo nandefa dossier saingy misy olo tianβny mpanao politika eo nefa dia tsy mahafeno fepetra raha ny fanadihadiana izay natao ka lasa tsy tafapetra izay ho tena talem-paritra eo
Nangononβi RA PA
