Tontosa androany Zoma 12 Aprily 2024 teto amin’ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao isaky ny roa volana ho an’ireo Ben’ny Tanana eto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano.
Ankoatra ireo tatitra mahakasika ny asa vitan’ny Ben’ny Tanana tsirairay sy ny fanamarihana isankarazany mahazatra dia noresahina manokana ny mahakasika ny Komity Loharano, ny karnem-pokontany misy ยซย QR Codeย ยป, ny tetikasan’ny fitondram-panjakana eto amin’ny distrika, ny tsara ho fantatra momba ny fifidianana solombavambahoaka ho tanterahina ny 29 May 2024 ary ny ยซย RALE 2024ย ยป na ny Fanavaozana isantaona ny lisitry ny mpifidy.
Ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nitarika ny fivoriana ary nahatonga solontena avokoa ireo rantsa mangaika avy amin’ireo solontem-panjakana sy ny olom-boafidy ary ireo olom-boatendry, ny avy amin’ny mpitandron’ny filaminana, ny fahasalamana ary ny fampianarana. Niarahaba manokana ny Sefo Distrika Ramiandrisoa Mahefandrainibe Haritiana ireo ben’ny tanana noho izy voatendry hiasa indray eto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano. Isaorana ny rehetra izay naneho firahalahiana sy ny fiara-mientana ho an’ny Distrika Avaradrano, isaorana manokana ny Ben’ny Tananan’Ambohitrabiby amin’ny fandraisana ny fivoriana.