πŸ‘‰ANDRIAMATOA NIRINA RAKOTOARIJAONA NO LANY HITARIKA NY ANTOKO NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA INDRAY

201 0

βœ…Ny 14 novambra lasa teo no nanatontosa fivoriambe teto Antananarivo ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA ka voafidy tamin’izany ny filoha vaovao mitarika ny antoko Andriamatoa Nirina RAKOTOARIJAONA. Napetraka ho filohamboninahitra kosa ny filoha mpanorina ny antoko dia ny Jeneraly DΓ©sirΓ© RAKOTOARIJAONA. Voafidy tamin’io fivoriambe io koa ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitra.
βœ”οΈAntoko velona eto amin’ny firenena ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA. Nijoro tamin’ny taona 1995, ary mbola mijoro ankehitriny. Amin’ny maha antoko miaina eto amin’ny firenena repoblikana azy dia hitondra ny anjarabirikiny amin’ny raharaham-pirenena rehetra fa indrindra izay hita fa mahatsara sy mahasoa ity tanindrazana iombonana ity ny antoko.
πŸ—³οΈAmin’izao fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanΓ na sy mpanolotsaina izao dia tsy manana kandida natolotra amin’ny anarany ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA fa nisafidy kosa ny hanohana kandida izay mitovy vina amin’ny antoko.
⏭️Nitondra hafatra ho an’ny mpifidy sy ny mpikarakara ny fifidianana koa moa ny antoko :
βœ”οΈManao antso avo ho an’ireo rafitra mpikirakira fifidianana mba hijoro hatrany amin’ny fanajana ny tsy fitanilana sy ny ara-dalΓ na ho antoky ny fifidianana madio, tsy mitanila ary heken’ny rehetra.
βœ”οΈManentana ny olom-pirenena ihany koa mba handray anjara mavitrika amin’ny latsa-bato amin’ny 11 desambra ho avy io. Tsy tokony hiraviravitanana isika vahoaka fa ny fifidianana ihany no ahafahana mitondra amin’ny fanovana eto amin’ny firenena.
▢️Ny teny manentana ity antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA moa dia ny hoe β€œHandeha harenina ny firenena ho fanohizana ny tolona”.

Nangonon’i RA PA

Nirina RAKOTOARIJAONA

Related Post

Vovonan’ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy Avaradrano | Tafapetraka ny atotan-taratasy

Posted by - avril 4, 2024 0
π…πˆπ‘π€πˆπ’π€π-πŠπˆππ€ π€π•π€π‘π€πƒπ‘π€ππŽ | π“π€π…π€ππ„π“π‘π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π“π€π‘π€π“π€π’π˜ π…πˆπ‹π€π“π’π€π‡π€π-πŠπŽπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ π‡πŽ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€π’𝐈 πŒπ€πƒπ€π†π€π’πˆπŠπ€π‘π€ —- Androany faha 03 volana Avril ny taona 2024 no…

FAMPIELEZAN-KEVITRA π€πŒππ€ππˆπ‡π˜ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
π„πŸπšπ­π«πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒π₯𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐟𝐒𝐝𝐒𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐬𝐨π₯π¨π¦π›πšπ―πšπ¦π›πšπ‘π¨πšπ€πš 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π€π¦π©πšπ§π’π‘π² 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐑𝐒𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 19 π“π¨πžπ«πšπ§πš 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐑𝐒𝐟𝐚𝐧𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…