𝑴𝒂𝒓𝒐 π’π’š 𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓’𝒂𝒔𝒂 π’‡π’‚π’Žπ’‘π’‚π’π’…π’“π’π’”π’π’‚π’π’‚ π’Žπ’Šπ’‚π’π’…π’“π’š π’π’š 𝑩𝒆𝒏’π’π’š 𝑻𝒂𝒏𝒂̀𝒏𝒂.

300 0
Natao androany 24 janoary ny famindram-pitantanana teo amin’ny Ben’ny TanΓ na mpisolo toerana Atoa RAKOTOSON Rolland Kolonely misotro ronono sy Atoa RASAMIMANANA HonorΓ© Gabriel na Dokotera Unoh KandidΓ  IRMAR(Isika Rehetra Miaraka Amin’i Andry Rajoelina).
Izay voafidy fanindroany hitantana ny Kaominina Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Lapan’ny TanΓ na. Nisolo tena ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana nandritra izany Atoa RAKOTOVAO Vy Vato Governora Faritra Vakinankaratra. Natrehin’ny olomanan-kaja,manamboninahitra sivily sy miaramila ary Raiamandreny am-panahy avy eto an-toerana,nontronin’ny mpiasan’ny Kaominina.
Didim-pitsarΓ na nolazaina ampahibemaso ny 17 janoary lasa teo tany Antananarivo no manambara ny nahavoafidy an’i Dokotera Unoh tamin’ny fifidianana Kaominaly natao ny 11 Desambra 2024 ka nahazoany mpifidy miisa 19852 raha toa ka 45942 ny naneho ny safidiny.Mpanolotsaina 09 IRMAR,08 Firaisan-kina Ary 02 Mahaleo tena.
Hitohy ny asa fampandrosoana.
Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’ny fanatsarΓ na sy fampivoarana ny TanΓ nan’Antsirabe araka ny fantatra. Nanambara anefa ny Ben’ny TanΓ na voafidy fa vonona hanohy ny asa fampandrosoana. Nanentana ny mponina izy hampanjaka ny fihavanana sy ny firaisan-kina ho fitadiavam-bahaolana amin’ny famitΓ na n’y asa. Tanjona ny hisitrahan’ny vahoaka manerana ny Kaominina Antsirabe I ny fandrosoana.
Betsaka ny tetikasa ho tanterahina.
Hatao fitaratra na « PiloteΒ Β» amin’ny fampandrosoana i Antsirabe ka hisy ny fanorenana Toby goavana hanodinana ny fako ho lasa zezika,hampiavaka ny TanΓ na satria anisany lehibe indrindra aty amin’ny firenena anatin’ny SADEC hoy hatrany ny Ben’ny TanΓ na. Ankoatr’izay ny programan’asa PADEV (Programme D’apport de DΓ©veloppement de la Ville) nahazoana ny fankatoavan’ny mpamatsy vola Ary ny fandaharan’asa iarahana amin’ny AFD (Association FranΓ§aise de DΓ©veloppement).
Antenaina ho tanteraka Γ ry ny fampanantenΓ na ka ho tratra ny tanjona:Β Β»Antsirabe TanΓ na MandrosoaΒ Β».
Nangonin’i HAJA.

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA π€πŒππ€ππˆπ‡π˜ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
π„πŸπšπ­π«πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒π₯𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐟𝐒𝐝𝐒𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐬𝐨π₯π¨π¦π›πšπ―πšπ¦π›πšπ‘π¨πšπ€πš 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π€π¦π©πšπ§π’π‘π² 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐑𝐒𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 19 π“π¨πžπ«πšπ§πš 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐑𝐒𝐟𝐚𝐧𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…

π—™π—œπ—›π—”π—’π—‘π—”π—‘’π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—œπ—žπ—”π— π—•π—”π—‘π—” 𝗔𝗒 π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 Β«Β π—”π—¦π—¦π—’π—–π—œπ—”π—§π—œπ—’π—‘ 𝗣π—₯π—’π—™π—˜π—¦π—¦π—œπ—’π—‘π—‘π—˜π—Ÿπ—Ÿπ—˜ π——π—˜ π—Ÿπ—” 𝗣π—₯π—˜π—¦π—¦π—˜ π—˜π—‘ π—Ÿπ—œπ—šπ—‘π—˜Β Β» (π—”π—£π—£π—˜π—Ÿ) π—§π—”π— π—œπ—‘’𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—”π— π—”π—§π—’π—” π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—”π—‘’𝗑𝗬 π—”π—‘π—§π—˜π—‘π—œπ— π—œπ—˜π—₯π—”π—‘π——π—’π—›π—’π—Ÿπ—’π—‘π—”

Posted by - mars 14, 2025 0
π—™π—œπ—›π—”π—’π—‘π—”π—‘’π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—œπ—žπ—”π— π—•π—”π—‘π—” 𝗔𝗒 π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 Β«Β π—”π—¦π—¦π—’π—–π—œπ—”π—§π—œπ—’π—‘ 𝗣π—₯π—’π—™π—˜π—¦π—¦π—œπ—’π—‘π—‘π—˜π—Ÿπ—Ÿπ—˜ π——π—˜ π—Ÿπ—” 𝗣π—₯π—˜π—¦π—¦π—˜ π—˜π—‘ π—Ÿπ—œπ—šπ—‘π—˜Β Β» (π—”π—£π—£π—˜π—Ÿ) π—§π—”π— π—œπ—‘’𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—”π— π—”π—§π—’π—” π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—”π—‘’𝗑𝗬 π—”π—‘π—§π—˜π—‘π—œπ— π—œπ—˜π—₯π—”π—‘π——π—’π—›π—’π—Ÿπ—’π—‘π—” Ny faha 12 Martsa 2025…