🌟FIFAMIN_DRAMPITATANA TEO AMIN’NY TALEM-PARITRY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIHOFANANA ARAK’ASA MENABE

23 0


βœ… Tontosa androany maraina tao amin’ny efitrano malalakin’ny fitaleovam_paritrin’ny teknika sy fampihofanana arak’asa tao Andabatoara, Morondava ny fifamin_drampitatana teo amin’ny Talem-paritry vonjimaika Andriamatoa SaΓ―d Ben Youssouf Ali izay niandraikitra ny fampandehanan_draharaha teo aloha sy ny tale vaovao Christophe Tovondraza Juliot.
βœ…Izao lanonana famindram_pitatanana izay dia notarihin’ny PrΓ©fet ny Morondava Rafidison FidΓ¨le ary notronon’ireo talem-paritra ato Menabe sy ny assistants parlementaires ny solom_bavambahoaka voafidy tato amin’ny Distrikan’ny Morondava ary ireo mpiasa eo anivon’ny fitaliava-mparitry ny fampianarana ny teknika sy fampihofanana arak’asa teo koa ireo avy amin’ny fitaleovam_paritrin’ny serasera sy ny kolontsaina Menabe.
βœ… Nandritrin’ny Fandraisam_pitenena izay nataon’ny tale vaovao moa dia nisaotra ny fitondram-panjakana foibe izay tarihin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina tamin’ny fanendrena azy ary nisaotra ny minisitrin’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa nanome fahatokisana azy, hiezaka hanao izay tratran’ny aina aho hoy ny tale vaovao mba hapirborobo ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa, vonona koa izy ny hanarina ny lesoka izay hita ny rehetra teo amin’ny fitaleovam_paritrin’ny teknika sy fampihofanana arak’asa teo aloha, manatena ny fiarahamiasa avy amin’ny rehetra hoy ny tale vaovao fa tsy misy fampandrosoana raha tsy misy ny fiarahamiasa.
πŸ–‹οΈ Ra_Pa Menabe

Related Post

Fisolokiana miseho amin’ny Cash Point eto Mandritsara | Namory mpanao cash point ny lehiben`ny kompania

Posted by - fΓ©vrier 24, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒπšπ§π¨π¦π›π¨π€πš 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨 𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐯𝐨π₯𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 π‚πšπ¬π‘ 𝐏𝐨𝐒𝐧𝐭 ( Namory mpanao cash point ny lehiben`ny kompania) ✦Cash…