π™πšπ³πš πŸ‘ 𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐭𝐬𝐚𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐑𝐞𝐭𝐲: π•π¨πšπ¬πšπ¦π›π¨π­π«πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 π‘πšπ² 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐒𝐧𝐲

147 0
Ambohimalaza – Tranga mahatsiravina no niseho teny amin’ny fokontany Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza Miray, distrikan’i Antananarivo Avaradrano, tamin’ity herinandro ity. Zaza lahy vao 3 volana monja no voatsatoka hety teo amin’ny tendany.
Nitarika fisamborana haingana ireo ray aman-drenin’ny zaza ity heloka bevava ity. Araka ny fanazavan’ny manam-pahefana, dia noahiahiana ho nahavita famonoana olona iniana natao ity ilay raikeliny, raha voarohirohy ho niara-nanampy azy kosa ny reniny. Samy efa nalain’ny zandary am-pitandremana izy mivady ireo, ary nentina natao famotorana.
π…πšπ¦π¨π§π¨πšπ§πš 𝐯𝐨𝐚𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚
Araka ny loharanom-baovao azo avy amin’ny manam-pahefana, efa nomanin’ny rainy (Raikeliny raha ny marimarina kokoa) mialoha ity famonoana ity. Nilaza ity farany fa tsy nahatsapa fitiavana avy amin’ny vadiny intsony izy hatramin’ny nahaterahan’ilay zaza.
Voalaza ihany koa fa mbola 7 volana bevohoka tamin’i Josoa ramatoa vao niara-nonina tamin’ilay rangahy, ary rehefa teraka ny zaza dia nanambara ity farany fa homena ho tezain’ny fianakaviana iray eny Sabotsy Namehana.
Kanjo hay famitahana fotsiny izany. Tsy nisy olona nandray an’ilay zaza teny amin’ny toerana nolazaina. Tetsy andaniny, nosamborina teny Ambohimangakely ilay lehilahy, raha teny Ambohimalaza kosa no nahatrarana an-dramatoa. Nambaran’ny mpitandro filaminana fa mbola tratra teny amin’ny tokantranony ireo fitafiana nampiasain’ilay rangahy nandritra ny famonoana an’i Josoa kely. Isaorana ny Nahary fa tsy nahafaty azy ny famonoana ity zaza ity
Mitohy ny fanadihadiana, ary an-dalam-panaovana fanadihadiana lalina ny manam-pahefana amin’ity tranga mahatsiravina ity.
Nangonin’i Bevomaso

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…

πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈 | π…π’πŸπ’ππ’πšπ§πšπ§πš 𝐀𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐚π₯𝐲.

Posted by - dΓ©cembre 8, 2024 0
Mifarana androany 08 Desambra ny lisitry ny mpifidy natovana « OrdonnanceΒ Β» avy amin’ny didim-pitsarΓ na ambaratonga voalohany(TPI)Antsirabe ho an’ny Distrika Antsirabe I.…