๐™๐š๐ณ๐š ๐Ÿ‘ ๐ฏ๐จ๐ฅ๐š๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐š๐ญ๐ฌ๐š๐ญ๐จ๐ค๐š ๐ก๐ž๐ญ๐ฒ: ๐•๐จ๐š๐ฌ๐š๐ฆ๐›๐จ๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐‘๐š๐ฒ ๐š๐ฆ๐š๐ง-๐๐ซ๐ž๐ง๐ข๐ง๐ฒ

358 0
Ambohimalaza โ€“ Tranga mahatsiravina no niseho teny aminโ€™ny fokontany Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza Miray, distrikanโ€™i Antananarivo Avaradrano, taminโ€™ity herinandro ity. Zaza lahy vao 3 volana monja no voatsatoka hety teo aminโ€™ny tendany.
Nitarika fisamborana haingana ireo ray aman-dreninโ€™ny zaza ity heloka bevava ity. Araka ny fanazavan’ny manam-pahefana, dia noahiahiana ho nahavita famonoana olona iniana natao ity ilay raikeliny, raha voarohirohy ho niara-nanampy azy kosa ny reniny. Samy efa nalainโ€™ny zandary am-pitandremana izy mivady ireo, ary nentina natao famotorana.
๐…๐š๐ฆ๐จ๐ง๐จ๐š๐ง๐š ๐ฏ๐จ๐š๐จ๐ฆ๐š๐ง๐š
Araka ny loharanom-baovao azo avy aminโ€™ny manam-pahefana, efa nomaninโ€™ny rainy (Raikeliny raha ny marimarina kokoa) mialoha ity famonoana ity. Nilaza ity farany fa tsy nahatsapa fitiavana avy aminโ€™ny vadiny intsony izy hatraminโ€™ny nahaterahanโ€™ilay zaza.
Voalaza ihany koa fa mbola 7 volana bevohoka taminโ€™i Josoa ramatoa vao niara-nonina taminโ€™ilay rangahy, ary rehefa teraka ny zaza dia nanambara ity farany fa homena ho tezainโ€™ny fianakaviana iray eny Sabotsy Namehana.
Kanjo hay famitahana fotsiny izany. Tsy nisy olona nandray anโ€™ilay zaza teny aminโ€™ny toerana nolazaina. Tetsy andaniny, nosamborina teny Ambohimangakely ilay lehilahy, raha teny Ambohimalaza kosa no nahatrarana an-dramatoa. Nambaranโ€™ny mpitandro filaminana fa mbola tratra teny aminโ€™ny tokantranony ireo fitafiana nampiasainโ€™ilay rangahy nandritra ny famonoana anโ€™i Josoa kely. Isaorana ny Nahary fa tsy nahafaty azy ny famonoana ity zaza ity
Mitohy ny fanadihadiana, ary an-dalam-panaovana fanadihadiana lalina ny manam-pahefana aminโ€™ity tranga mahatsiravina ity.
Nangonin’i Bevomaso

Related Post

โ€œ๐“๐ฌ๐ฒ ๐ซ๐š๐ซ๐ข๐ง๐ฒ!โ€ โ€” ๐“๐จ๐ฏ๐จ๐ฏ๐š๐ฏ๐ฒ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ฅ๐š๐ฌ๐ข๐›๐š๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ก๐ž๐ซ๐ข๐ฌ๐ž๐ญ๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ญ๐š๐ง๐๐ซ๐จ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐š๐ฆ๐ข๐ง๐š๐ง๐š

Posted by - octobre 5, 2025 0
๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ : ๐—ง๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ๐—ฒ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐—ผ ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ถ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜ƒ๐—ฒฬ ๐—ฟ๐˜† ๐— ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—ณ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐˜๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐˜† ?? Tovovavy mpianatra iray eny aminโ€™ny…

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐“๐‘๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐Ž๐๐€, ๐๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐€๐‘๐˜ ๐’๐Ž๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐˜ ๐’๐˜ ๐…๐Ž๐“๐Ž๐“๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€ ๐“๐„๐“๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐๐Ž๐‘๐ˆ๐“๐€๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‘๐Ž๐€ Ny sabotsy…