π•πŽπ€ππ‰πŽ πŒπ„ππ€ππ„ : πŒπˆπ‘πŽπ’πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 πŒπ€πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 π…π€ππ‰π€πŠπ€ππ€ 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀 π’π˜ 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π…πˆπƒπˆπ‘π€πŒ-ππŽπ‹π€πβ€™ππ˜ πŒππ€πŒπŽπŠπ€π“π‘π€

59 0

Nitsidika ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, π‘π€πŒπˆππƒπŽ π†πšπžΜˆπ­πšπ§, omaly alahady 26 Aprily 2026. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny sehatra fambolena ity fidinana ifotony ity, izay nifantoka indrindra tamin’ny fitadiavana vahaolana manoloana ireo olana mahazo ny tantsaha, indrindra ny mikasika ny vidin’ny voanjo.

Nandritra ny fitsidihana dia nisy ny fifampiresahana mivantana tamin’ireo tantsaha, nahafahan’ny ministera nihaino akaiky ny olana sy ny soso-kevitra avy eny ifotony. Voaresaka manokana tamin’izany ny tsy fitovian’ny vidin’ny voanjo eny an-tsena sy ny sakana amin’ny fivarotana, izay miteraka fatiantoka ho an’ny mpamokatra.

π’πžπ‘πšπ­π«πš 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐀𝐞𝐫𝐲, 𝐬𝐚𝐒𝐧𝐠𝐲 𝐦𝐛𝐨π₯𝐚 π―π¨πšπŸπžπ‘π’π§β€™π§π² 𝐨π₯πšπ§π’π§β€™π§π² 𝐫𝐚𝐟𝐒𝐭𝐫𝐚

Na dia manana hery ara-toekarena lehibe aza ny voanjo eto Menabe, dia mbola maro ireo olana rafitra manakana ny fandrosoany. Anisan’izany ny tsy fahatomombanan’ny fandrindrana ny fanangonana sy ny fizarana vokatra, ny fahalemen’ny firafitry ny mpisehatra, ary ny tsy fahampian’ny fanomezana lanja ara-barotra ny vokatra.

Ireo fahasahiranana ireo dia ary mampihena ny vola miditra ho an’ny tantsaha sy ny mpisehatra rehetra.

π…πžπ©πžπ­π«πš 𝐦𝐚𝐒𝐀𝐚 𝐬𝐲 𝐑𝐞𝐭𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐦𝐒𝐯𝐚𝐒𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚

Taorian’ny fidinana ifotony dia nametraka laharam-pahamehana mazava ny ministera ho fanarenana ny sehatra :

  • Fanatsarana ny rafitra fanangonana sy fivarotana
    Kendrena ny hanamora ny fivezivezen’ny vokatra sy hampihena ny sakana amin’ny varotra, mba hahazoan’ny tantsaha vidiny mirary.
  • Fanamafisana ny firafitry ny mpisehatra
    Hohamafisina ny fandaminana ny tantsaha sy ny mpisehatra mba hanatsarana ny fifampiraharahana sy ny fiaraha-miasa.
  • Fanokafana tsena vaovao
    Hotadiavina ny tsena vaovao sy hatsaraina ny kalitaon’ny vokatra, mba hampitombo ny lanjan’ny voanjo eny an-tsena.

Ankoatra izany, nisy ihany koa ny hetsika mivantana natao ho fanohanana ireo tantsaha. Ireo tantsaha nahavita fiofanana dia nahazo fitaovana hoenti-miady amin’ny bibikely mpanimba voly, ary nozaraina bisikileta hanamora ny fivezivezen’izy ireo sy ny asa famokarana.

π•π’π§πšπ―π’π§πš 𝐦𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚 𝐑𝐨 πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚

Nanamafy ny ministera fa miankina amin’ny fandrindrana ny sehatra sy ny fahafahana miditra amin’ny tsena ny fahombiazan’ny fambolena. Noho izany, tanjona ny hananganana rojo sanda mahomby kokoa, voalamina ary mahasoa ny mpisehatra rehetra.

π…πšπ§πšπ«πšπ‘πšπ¦πšπ¬π¨ 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐑𝐒𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚

Hisy ny fanaraha-maso akaiky ny fampiharana ireo fepetra noraisina, iarahana amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony sy ny mpiara-miombon’antoka. Nohamafisin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo ihany koa ny fahavononany hanohy ny asa eny ifotony, hamaha ireo olana rafitra ary hanatsara maharitra ny sehatra fambolena stratejika eto Madagasikara.

Nanotrona izao fitsidihan’ny minisitry ny fambolena sy fahavitan-tena ara-tsakafo izao moa ireo tompon’andraikim-panjakana ato Menabe izay notarihin’ny PrΓ©fet an’i Morondava sy ny lehiben’ny faritra mpisolo Toerana ato Menabe ary ny talemparitry ny fambolena sy fahavitan-tena ara-tsakafo ato Menabe.
✍️ RA PA

Related Post

M A D I R O V A L O
DISTRICT AMBATO-BOENY

Posted by - aoΓ»t 8, 2025 0
Nigadona anio maraina eto am Kaominina madirovalo ny delegasionina mafonja notarihiny Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin ahitana any Andriamatoa Governoran’ny Faritra…