Nosokafana taminโny fomba ofisialy androany Alakamisy 23 Aprily 2026, tao aminโny Salle dโลuvre Katolika Namahora, eto Morondava, ny fankan-kevitra isam-paritra mikasika ny fananan-tany, ny fanajariana ny tany ary ny toeram-ponenana ho anโny Faritra Menabe.
Haharitra roa andro ity hetsika ity izay hanasana ireo sokajinโolona maro samihafa . Natokana ho anโireo tomponโandraikim-panjakana, ireo rafitra sy fikambanana miankina sy tsy miankina aminโny fanjakana ary ireo olobe an-tanana ny andro voalohany. Ho anโny andro faharoa kosa dia hasaina handray anjara manokana ireo tanora, ny fikambananโny tanora ary ireo mpianatra, ho fampidirana ny feonโny taranaka ho avy aminโny fandrafetana politika sy paikady.
Araka ny nambaranโny talemparitry ny fananan-tany, ny fanajariana ny tany ary ny toeram-ponenana RASEDIMAHEFA Tsimiebo , dia tanjona ny hanangona sy handrindra ireo hevitra avy aminโny mpandray anjara rehetra ity fankan-kevitra ity. Ireo sosokevitra voaangona dia hoentina hanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany, hanamafisana ny fanajariana ara-drafitra ny tany, ary hanatsarana ny fandrindrana ny toeram-ponenana manerana ny Faritra Menabe.
Zava-dehibe ity hetsika ity satria mifamatotra aminโny fampandrosoana maharitra ny faritra ny fananan-tany sy ny fanajariana azy, indrindra eo anatrehanโny fitomboanโny mponina sy ny fanamby ara-tontolo iainana. Ny fanamafisana ny fifampidinihana toy izao dia heverina ho dingana iray lehibe mankany aminโny fitantanana mangarahara sy mahomby kokoa ny loharanon-karena ara-tany.
Tonga nanome voninahitra izao fankan-kevitra izao moa ny lehiben’ny faritra mpisolon-toerana ary nanokatra ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy kosa ny Prรฉfet an’i Morondava.
Mitohy rahampitso ny hetsika, izay antenaina hitondra fijery vaovao avy aminโny tanora sy ny mpianatra, ho fanamafisana ny vahaolana maharitra ho anโny Faritra Menabe.
โ๏ธ RA PA
















