TOLIARA || RAHARAHA ORINASA BLUE OCEAN

450 0

Vehivavy teratany Koreana voarohirohy amin’ny famonoana olona efa nomanina sy fanapoizinana

TOLIARA, — Miteraka resabe ao an-drenivohitr’i Atsimo Andrefana amin’izao fotoana izao ny raharaha mahakasika an’i Kim SOONYI, vehivavy teratany Koreana sady mpandraharaha eo anivon’ny orinasa BLUE OCEAN, izay voatonona amin’ny raharaha heloka bevava maro, ahitana famonoana olona efa nomanina (meurtre avec préméditation), fikasana hamono olona, ary fanapoizinana (empoisonnement toxique).

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanadihadiana, dia efa eo am-pelatanan’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Fitsarana ao Toliara ny raharaha amin’izao fotoana izao. Ny fahafatesan’i KANG Deug Hee, vadin’ity vehivavy ity sady iray amin’ireo mpikambana ambony ao amin’ny orinasa BLUE OCEAN, no fototry ny fanadihadiana.


Fisamborana nahitana savorovoro

Raha ny vaovao voaray, dia nisy ny fikasana hisamborana an’i Kim SOONYI teny amin’ny toeram-ponenany. Voalaza anefa fa nanidy ny vavahady izy tamin’ny fahatongavan’ireo mpanao famotorana. Fotoana fohy taorian’izay dia nivoaka ihany ilay ramatoa ary nankany amin’ny Tobin’ny Zandarimaria.

Nandritra ny famotorana natao taminy dia nilaza izy fa tsy mahafehy teny Frantsay sy Anglisy. Misy anefa ireo mpiara-miasa taminy no milaza fa fomba entiny hisorohana ny fanadihadiana izany, indrindra fa efa an-taonany maro izy no niasa teo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara.

Voalaza ihany koa fa nitondra vola tao anaty gony roa ilay vehivavy talohan’ny nandehanany nankany Antananarivo, taorian’ny fisokafan’ny fanadihadiana.


Ahiahy momba fanodinkodinana antontan-taratasy

Nisongadina nandritra ny raharaha ihany koa ny resaka mikasika ny fitantanana ny orinasa BLUE OCEAN.

Niorina tamin’ny taona 2019 ity orinasa miasa amin’ny sehatry ny fanangonam-bokatra an-dranomasina ity, ary voalaza fa ara-dalàna tanteraka ny fisoratana sy ny antontan-taratasiny.

Na izany aza, tamin’ny volana Desambra 2024, dia nivoaka teo anivon’ny EDBM ny antontan-taratasy “Statuts mise à jour”, izay voalaza fa nankatoavin’ny fivoriambe (Assemblée Générale). Nolavin’i KANG KYU Boem, filoha mpanorina ny orinasa anefa izany fanovana izany, ka vao mainka nampitombo ny ahiahy momba ny mety ho fanodinkodinana sy tetika haka fahefana eo anivon’ny orinasa.


Fahafatesana mampiahiahy

Ny 30 Desambra 2024 no voalaza fa nodimandry i KANG Deug Hee. Raha ny fanazavana voaray, dia tsy nisy fifampidinihana tamin’ny fianakaviany ny momba ny fikarakarana ny razana, fa nentina nodorana avy hatrany ny vatana mangatsiaka.

Taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana natao, dia voalaza fa nahitàna singa maro mampiahiahy ny manodidina ny fahafatesany. Misy amin’ireo antontan-taratasy voaray eo anivon’ny Kaominina Toliara sy ny mpisolovava no heverina fa mety hanamafy ny ahiahy momba ny mety ho fisian’ny famonoana voaomana mialoha.


Ahiahy fanapoizinana hafa

Ankoatra izay, dia ahiana ihany koa ny mety ho fanapoizinana an’i KANG KYU Boem, izay mbola manaraka fitsaboana any Antananarivo amin’izao fotoana izao. Tsy mbola namoaka fanambarana ofisialy momba izany anefa ny tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana.


Raharaha mbola eo am-panaovana fanadihadiana

Hatramin’izao dia mbola eo am-pelatanan’ny mpanao famotorana ny raharaha, ary andrasana ny mety ho fanapahan-kevitry ny Fitsarana manoloana ireo fiampangana samihafa mahazo an’i Kim SOONYI.

Mbola miandry ny tohin’ny fanadihadiana sy ny fivoaran’ny raharaha ireo mpanara-baovao sy ny mponina ao Toliara.

Nangonin’i Bevomaso

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…

𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐎 𝐓𝐒𝐈𝐇𝐎𝐌𝐁𝐄 𝐍𝐈𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐑𝐈𝐒𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀

Posted by - décembre 9, 2025 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. 𝐑𝐀𝐘𝐌𝐎𝐍𝐃 𝐉𝐞𝐚𝐧 𝐍𝐚𝐫𝐜𝐢𝐬𝐬𝐞, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐍𝐌…